Matio
Toko faha-2
1 Rehefa teraka tao Betlehema tananan'i Jodea i Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,2 ka nanontany hoe: Aiza moa ilay Mpanjakan'ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.
3 Vao nandre izany i Heroda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin'i Jerosalema iray vohitra.
4 Novoriny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalana teo amin'ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: Aiza moa no tokony hahaterahan'ny Mesia?
5 Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema, tanana any Jodea, fa izao no voalazan'ny Soratra Masina tamin'ny alalan'ny mpaminany:
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin'i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin'ireo tanana malazan'i Jodea; fa avy aminao no hipoiran'ilay filoha izay ho mpiandry an'i Israely vahoakako.
7 Tamin'izay dia nampiantsoin'i Heroda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan'ny kintana;
8 izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: Ndeha ary ka fotopotory tsara ny amin'ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.
9 Nony avy nandre ny tenin'ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin'ny toerana nisy ny zaza.
11 Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin'i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan'ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.
12 Ary notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin'i Heroda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin'ny tany fonenany.
13 Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy i Josefa ka nilazany hoe: Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin'i Heroda ny zazakely mba hamonoany azy.
14 Dia nifoha i Josefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina.
15 Ary nitoetra tany i Josefa telo mianaka ambara-pahafatin'i Heroda; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!
16 Tamin'izay dia tsinjon'i Heroda fa voafitak'ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy ankanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin'ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin'ireo olon-kendry.
17 Tamin'izay no tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany hoe:
18 Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Rama: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!
19 Rehefa maty kosa i Heroda, dia nisehoan'anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy i Josefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:
20 Mifohaza ianao, ka ento mody any amin'ny tanin'i Israely ny zazakely sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady ny ain'ny zaza.
21 Dia nifoha i Josefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin'ny tanin'i Israely.
22 Nony ren'i Josefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin'ny faritany Galilea.
23 Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin'ny tanana atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Hantsoina hoe Nazareanina Izy!