Matio

Toko voalohany

1 Fitanisana ny razan'i Jesoa Kristy, taranak'i Davida, dia i Davida taranak'i Abrahama.

2 I Abrahama no ray niteraka an'i Itsehaka, i Itsehaka, ray niteraka an'i Jakoba; i Jakoba, ray niteraka an'i Joda mirahalahy avy.

3 I Joda, ray niteraka an'i Faresa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin'izy roa lahy); i Faresa, ray niteraka an'i Hesrona; i Hesrona, ray niteraka an'i Arama.

4 I Arama, ray niteraka an'i Haminadaba; i Haminadaba, ray niteraka an'i Nahasona; i Nahasona, ray niteraka an'i Salmona.

5 I Salmona, ray niteraka an'i Bohaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bohaza, ray niteraka an'i Obeda (ary i Rota no reniny); i Obeda, ray niteraka an'i Jisay;

6 i Jisay, ray niteraka an'i Davida mpanjaka. I Davida kosa no ray niteraka an'i Salomona (ary dia ny vadin'i Oria no reniny);

7 i Salomona, ray niteraka an'i Rehabohama; i Rehabohama, ray niteraka an'i Abia; i Abia, ray niteraka an'i Asa.

8 I Asa, ray niteraka an'i Josafata; i Josafata, ray niteraka an'i Jorama; i Jorama, ray niteraka an'i Ozia.

9 I Ozia, ray niteraka an'i Jotama; i Jotama, ray niteraka an'i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an'i Hezekia.

10 I Hezekia, ray niteraka an'i Manase; i Manase, ray niteraka an'i Amona; i Amona, ray niteraka an'i Josia.

11 I Josia, ray niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy. Tamin'izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilona.

12 Taorian'ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilona kosa dia izao: i Jekonia no ray niteraka an'i Sealtiela; i Sealtiela, ray niteraka an'i Zerobabela.

13 I Zerobabela, ray niteraka an'i Abihoda; i Abihoda, ray niteraka an'i Eliakima; i Eliakima, ray niteraka an'i Azora.

14 I Azora, ray niteraka an'i Sadoka; i Sadoka, ray niteraka an'i Akima; i Akima, ray niteraka an'i Elihoda.

15 I Elihoda, ray niteraka an'i Eleazara; i Eleazara, ray niteraka an'i Matana; i Matana, ray niteraka an'i Jakoba.

16 I Jakoba, ray niteraka an'i Josefa vadin'i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an'i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.

17 Koa 14 izany no isan'ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida; 14 koa hatramin'i Davida ka hatramin'ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilona ka hatramin'ny Mesia.

18 Toy izao no nahaterahan'i Jesoa Kristy. Efa fofombadin'i Josefa i Maria renin'i Jesoa tamin'izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan'ny Fanahy Masina.

19 Olo-marina i Josefa vadiny, ka tsy te hanala baraka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.

20 Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan' anjelin'ny Tompo tamin'ny nofy ka nilazany hoe: Ry Josefa taranak'i Davida o, aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao! Noho ny asan'ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.

21 Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin'ny fahotany.

22 Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

23 Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela, (izany hoe miaraka amintsika Andriamanitra)

24 Vao nifoha maraina i Josefa dia nanatontosa izay nandidian'ilay anjelin'ny Tompo azy, ka nampakatra an'i Maria vadiny.

25 Tsy niray tamin'i Maria i Josefa mandra-pahatera-dahy an'i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan'i Josefa ny zaza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0697