Matio
Toko faha-14
1 Tamin'izany andro izany, dia ren'i Heroda mpanjaka ny lazan'i Jesoa,2 ary hoy izy tamin'ny mpanompony: I Johany Mpanao batisa izay: efa maty izy no velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.
3 I Heroda manko no nampisambotra an'i Johany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin'i Herodiada, vadin'i Filipo rahalahin'i Heroda, no antony.
4 Fa hoy i Johany tamin'i Heroda: Tsy azonao atao ny manambady an'i Herodiada!
5 Dia nifofo ny ain'i Johany i Heroda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin'Andriamanitra i Johany.
6 Nony tonga anefa ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Heroda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavavin'i Herodiada ka nahafaly an'i Heroda.
7 Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.
8 Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan'i Johany Mpanao batisa!
9 Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan'ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany.
10 Ary naniraka olona i Heroda hanapa-doha an'i Johany tany am-ponja.
11 Dia nentina an-dovia ny lohan'i Johany; ka nomena an-drazazavavy, ary nentina tany amin-dreniny.
12 Tonga kosa ny mpianatr'i Johany, ka naka ny faty sy nandevina azy, ary lasa nilaza tamin'i Jesoa ny zava-nitranga.
13 Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian'i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanana samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy.
14 Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.
15 Nony hariva ny andro, dia nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanana hividy sakafo.
16 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.
17 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa aty aminay.
18 Ary hoy i Jesoa: Ento aty amiko izany.
19 Dia nasain'i Jesoa nipetraka teny amin'ny ahitra ny vahoaka. Noraisin'i Jesoa tamin'izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an'Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin'ny vahoaka.
20 Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin'ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12.
21 Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
22 Vetivety foana taorian'izay, dia noteren'i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
23 Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.
24 Ny sambokely tamin'izay dia efa kilaometatra vitsivitsy avy eny amorona ary natopatopan'ny alon-drano, satria notohain'ny rivotra.
25 Ary tamin'ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony rano.
26 Kanjo nahatazana an'i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe: Matoatoa io! Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra.
27 Avy hatrany anefa dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: Mahereza, fa Izaho ity; aoka izay ny tahotra!
28 Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa: Tompo o, raha Ianao tokoa, dia asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.
29 Dia novalian'i Jesoa hoe: Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin'i Jesoa.
30 Kanjo nony hitan'i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: Tompo o, vonjeo aho!
31 Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an'i Petera ary nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
32 Ary rehefa tafakatra tao an-tsambokely i Jesoa sy i Petera, dia nitsahatra ny rivotra.
33 Ry zareo tao an-tsambokely kosa niankohoka teo anatrehan'i Jesoa sady niteny hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa Ianao!
34 Nony tafita ny rano i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia tonga teo amin'ny faritanin'i Genesareta.
35 Nahafantatra an'i Jesoa ny tompon-tany tao, ka nandefa iraka teny amin'ny tany rehetra manodidina hilaza ny fahatongavany; ary dia nentin'ny olona teo amin'i Jesoa ny marary rehetra.
36 Niangavian'ny olona Izy mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary izay rehetra nikasika dia sitrana avokoa.