Matio
Toko faha-13
1 Tamin'izany andro izany i Jesoa dia niala tao an-trano ary lasa nipetraka teo amoron'ny farihin'i Galilea mba hampianatra.2 Nisy vahoaka betsaka nitangorona teo akaikiny, ka voatery niakatra tao an-tsambokely anankiray Izy dia nipetraka teo. Ary ny vahoaka rehetra kosa tery amoron-drano.
3 Fanoharana no nilazan'i Jesoa zavatra maro taminy ka hoy Izy: Indro niainga ity mpamafy hamafy voa.
4 Nony namafy izy, ny voa sasany latsaka teny amoron-dalana, ka tonga ny voro-manidina nitsindroka azy rehetra.
5 Ny voa sasany latsaka tamin'ny toerana be vato sady manify nofon-tany, ka vetivety dia nitsimoka satria tsy lalina ny tany nilentehany;
6 saingy nony nipoaka ny andro, dia nalazon'ny hafanana ireo tsimoka ireo ka maina, satria tsy namaka lalina.
7 Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka.
8 Ny voa sasany kosa latsaka tamin'ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.
9 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
10 Ary nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao amin'ny vahoaka?
11 Dia novalian'i Jesoa hoe: Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakan'ny lanitra, fa ireo kosa tsy natao hahalala.
12 Satria izay manana no homena, ka hanana amby ampy; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.
13 Noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mihaino fa tsy mandre sady tsy mahafantatra;
14 ka tanteraka aminy tokoa ny faminaniana voalazan'i Isaia hoe: Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita,
15 satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!
16 Fa sambatra kosa ianareo, mana-maso mahita ary manan-tsofina mandre.
17 Eny, lazaiko marina aminareo fa maro ireo mpaminanin'Andriamanitra sy ireo olo-marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy nahita, ary hahare izay renareo nefa tsy nahare.
18 Ianareo kosa, henoy ary ny hevitr'ilay fanoharana ny amin'ny mpamafy.
19 Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakan'ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.
20 Ny voa nafafy tamin'ny tany be vato dia izay mahaheno ny teny ka mandray azy avy hatrany amin-kafaliana,
21 saingy tsy mandatsaka lalina izany ao aminy fa vetivety foana no itanany azy; ka raha vao misy fijaliana na fanenjehana noho ny tenin'Andriamanitra, dia very finoana.
22 Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan'ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.
23 Ary ny voa nafafy tamin'ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.
24 Ary nanolotra fanoharana hafa tamin'ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ity lehilahy namafy voa tsara tamin'ny tanimbariny.
25 Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin'ny vary, dia lasa nandeha.
26 Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia nipoitra koa ny tsimparifary.
27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin'ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?
28 Dia novaliany hoe: Fahavalo no nanao izany! Ary hoy ny mpanompony taminy: Koa tianao ve ny handehananay hanaisotra ny tsimparifary?
29 Fa nataon'ny tompon-tanimbary hoe: Tsia, fandrao hongotanareo mbamin'ny vary raha esorinareo ny tsimparifary!
30 Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin'ny taom-pijinjana; ary amin'izay vao holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.
31 Ary nanolotra fanoharana hafa indray tamin'ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy nalain'ity lehilahy anankiray ary nafafiny tany an-tanimboliny.
32 Madinika indrindra amin'ny voa famafy rehetra ny voan-tsinapy, saingy rehefa maniry, dia izy no lehibe indrindra amin'ny anana rehetra sady tonga hazo; dia avy ny voro-manidina manao akany honenana ao amin'ny rantsany.
33 Ary nilaza fanoharana hafa koa tamin'ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny leviora nalain'ity vehivavy anankiray ary nampifangaroiny tamin'ny koba eran'ny kovetabe mandra-pibohaky ny koba manontolo.
34 Fanoharana no nanambaran'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka. Ary tsy nanambara zavatra tamin'ny vahoaka afa-tsy tamin'ny fanoharana i Jesoa,
35 hany ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe: Fanoharana no hitenenako; zavatra nafenina hatramin'ny nahariana izao tontolo izao no hambarako.
36 Tamin'izay dia nandao ny vahoaka i Jesoa ary nody tany an-trano; dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Hazavao aminay ny hevitry ny fanoharana momba ny tsimparifary nafafy an-tanimbary.
37 Dia novalian'i Jesoa hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona;
38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakan'ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin' ilay Ratsy;
39 ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran'izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely.
40 Koa tahaka ny anesorana ny tsimparifary sy andorana azy amin'ny afo no hatao amin'ny fiafaran'izao tontolo izao.
41 Hirahin'ny Zanak'olona ny anjeliny; ary ny anjely no hanaisotra tsy ho eo amin'ny Fanjakan'ny Zanak'olona izay rehetra mpitaona ny hafa hanota sy izay mpanao ratsy,
42 ka hanipy azy any anatin'ny memy mirehitra; dia any ireo no hitomany sy hikotro-nify.
43 Amin'izay kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro ao amin'ny Fanjakan'ny Rainy. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
44 Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harena miafina ao anaty saha. Nisy olona nahita ilay harena ka nafeniny tao ihany aloha; ary noho ny hafaliany dia lasa izy nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany saha izany.
45 Ary izao koa: ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny mpandranto mitady vatosoa.
46 Rehefa nahita anankiray sarobidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra, ka nividy izany vatosoa izany.
47 Ary izao koa: ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka anaty ranomasina ka nanangona izao karazan-trondro rehetra izao.
48 Rehefa feno ny harato, dia notarihina ho eny amoron-drano; ary nipetraka ny mpanarato nifantina ny tsara hataony an-karona, fa ny ratsy kosa nariany.
49 Dia tahaka izany no hatao amin'ny fiafaran'izao tontolo izao; ho tonga ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny olo-marina,
50 ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any ireo no hitomany sy hikotro-nify.