Matio

Toko faha-8

1 Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro.

2 Ary indro nisy lehilahy marary hoditra nanatona Azy, dia niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: Tompo o, raha sitrakao, dia hainao diovina aho!

3 Nanatsotra tanana i Jesoa dia nikasika azy sady niteny hoe: Sitrako, madiova ianao! Avy hatrany dia nadio ny aretin-koditra nahazo an-dralehilahy.

4 Ary hoy i Jesoa taminy: Tandremo ny milaza izao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana miseho amin'ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin'i Mosesy mba ho vavolombelona amin'ny olona fa madio ianao.

5 Rehefa niditra tao Kafarnahoma i Jesoa, dia nisy kapitenin-tafika nanatona Azy sady nitaraina taminy

6 hoe: Tompo o, milamaka ao an-tranoko ao re ny mpanompoko, fa malemy sady mijaly mafy dia mafy.

7 Ary hoy i Jesoa taminy: Ho avy Aho hanasitrana azy!

8 Dia novalian'ny kapiteny hoe: Tompo o, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.

9 Izaho manko, na ambany fahefan'olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe Mandehana, dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe Avia, dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe Ataovy izao, dia manao izy.

10 Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin'ireo nanaraka Azy nanao hoe: Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin'i Israely.

11 Ambarako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-misakafo amin-dry i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba any amin'ny Fanjakan'ny lanitra.

12 Ireo natao handova ny Fanjakan'ny lanitra kosa dia horoahina any amin'ny maizina any ivelany; ka any ireo no hitomany sy hikitro-nify.

13 Dia hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny: Mandehana, ary aoka ho tonga aminao araka izay ninoanao. Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay mpanompony.

14 Dia niantrano tao amin-dry i Petera i Jesoa, ary nahita ny rafozambavin'i Petera nandamaka fa voan'ny tazo.

15 Nokasihin'i Jesoa ny tanan-dravehivavy; ary nialan'ny tazo ravehivavy dia nitsangana nandroso sakafo ho an'i Jesoa.

16 Nony hariva ny andro, dia maro ny azon'ny demony no nentin'ny olona teo amin'i Jesoa; teny fotsiny no nataon'i Jesoa handroahana ireny fanahy ratsy ireny. Ary izay rehetra narary dia nositraniny avokoa;

17 hany ka tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'i Isaia mpaminany hoe: Izy no naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika.

18 Nony hitan'i Jesoa ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko Izy mba hankeny ampitan'ny farihin'i Galilea.

19 Nisy anefa mpahay lalana nanatona Azy ka nilaza taminy hoe: Mpampianatra o, hiaraka aminao aho na aiza na aiza alehanao!

20 Fa hoy i Jesoa taminy: Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!

21 Dia nisy olon-kafa, anisan'ny mpianatr'i Jesoa, nilaza taminy hoe: Tompo o, avelao aho aloha handevina an'i dada!

22 Fa hoy i Jesoa taminy: Andao hiaraka amiko; avelao izy samy maty no hifandevina!

23 Ary niondrana an-tsambokely i Jesoa, ka niarahan'ireo mpianany.

24 Ary nisy tafio-drivotra mahery tonga tampoka teo amin'ny farihin'i Galilea, hany ka efa nila ho safotry ny alon-drano ny sambokely; i Jesoa anefa natory.

25 Dia nohatonin'ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: Tompo o, vonjeo fa ho faty isika!

26 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana? Izay vao niarina i Jesoa, dia niteny mafy ny rivotra sy ny farihy, ary nanjary tony dia tony ny andro.

27 Gaga ny olona ka vaky vava hoe: Avy aiza ary io Lehilahy io no manaiky Azy hatramin'ny rivotra sy ny farihy?

28 Rehefa tonga teny ampita teo amin'ny faritanin'i Gadara i Jesoa, dia nisy olona roa lahy nipoitra avy eny amin'ny fasana, nitsena Azy. Azon'ny demony izy roa lahy ary tena nasiaka mihitsy ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin'izany lalana izany.

29 Dia indreo izy roa lahy niantsoantso hoe: Fa ataonao inona izahay, ry Zanak'Andriamanitra? Tonga eto ve Ianao mba hampijaly anay alohan'ny fotoanandro?

30 Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nitrongy teny lavidavitra teny.

31 Koa nitalaho tamin'i Jesoa ireo demony nanao hoe: Raha dia roahinao re izahay, mba alefaso amin'itsy andian-kisoa itsy.

32 Dia hoy i Jesoa tamin'ny demony: Mandehana. Dia niala tamin'izy roa lahy ny demony ka lasa niditra tao amin'ny kisoa. Ary indreo ny kisoa andiany manontolo fa nirifatra ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy dia maty an-drano tao.

33 Nandositra kosa ireo mpiandry kisoa, ary nankany an-tanana nilaza ny zava-nitranga rehetra sy ny momba azy roa lahy azon'ny demony teo aloha.

34 Tamin'izay ny mponina rehetra iray tanana dia niainga nitsena an'i Jesoa; ka nony nahita Azy, dia nitalaho mba hialan'i Jesoa eo amin'ny taniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555