Matio

Toko faha-22

1 Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:

2 Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ity mpanjaka nanao fanasambe noho ny fampakaram-badin'ny zanany lahy.

3 Nirahin'ity mpanjaka ireo mpiasany hiantso ny olona nasaina hankao amin'ny fanasambe, fa tsy nety ho avy ireo.

4 Dia mpiasa hafa indray no nirahiny sady nataony hoe: Izao lazaina amin'ireo olona nasaina: Indro ny sakafo efa voaomako, ny ombiko sy ny biby nafahy efa voavono ary ny zavatra rehetra efa vonona; koa tongava amin'ny fanasambe.

5 Kanjo tsy nahoan'ireo nasaina izany, fa samy lasa nandeha izy rehetra, ny anankiray any amin'ny saha voleny, ary ny anankiray any amin'ny varotra karakarainy;

6 ary ny sasany dia nisambotra ireo mpiasa ka nisetrasetra taminy sy namono azy.

7 Tezitra kosa ilay mpanjaka, hany ka nandefa miaramila handringana ireo mpamono olona ireo sy handoro ny tananany.

8 Ary hoy izy tamin'ny mpiasany: Efa voaomana ny fanasambe, saingy ireo nasaina no tsy mendrika.

9 Koa mankanesa any amin'ny fihaonan-dalana, ary izay hitanareo dia asao avokoa ho aty amin'ny fanasambe.

10 Dia niely eran'ny arabe ireto mpiasa ka namory izay rehetra hitany, na ratsy fanahy na tsara fanahy; ary dia hipoka ny mpihinana ilay trano nanaovana ny fanasambe.

11 Niditra kosa ny mpanjaka hizaha ny mpihinana; ary hitany teo ity lehilahy anankiray tsy nanao ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady

12 ka nilazany hoe: Ry sakaiza, ahoana ianao no tafiditra eto, kanefa tsy manana ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Fa tsy nahateny ilay olona.

13 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ireo mpanompony: Afatory tongotra aman-tanana ilay io, dia ario any amin'ny maizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.

14 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!

15 Tamin'izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an'i Jesoa.

16 Ary naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodianina ry zareo ho any amin'i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: Mpampianatra o, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan'Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan'olona Ianao.

17 Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin'ity: Azonay atao ve ny mandoa hetra amin'ny amperora romanina sa tsia?

18 Takatr'i Jesoa anefa ny sain-dratsin'ireo ka hoy Izy taminy: Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana no maka fanahy Ahy ianareo?

19 Asehoy Ahy ny vola fandoa amin'ny hetra. Dia notoloran-dry zareo denary anankiray Izy.

20 Ary hoy i Jesoa nanontany azy: Sarin'iza io ary anaran'iza?

21 Ka novalian'ireo hoe: An'ny amperora romanina! Tamin'izay dia hoy i Jesoa taminy: Raha izany ary, dia avereno amin'ny amperora romanina izay an'ny amperora romanina ary amin'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

22 Gaga ireto iraka nony nandre izany, ary dia nandao an'i Jesoa ka lasa nandeha.

23 Androtr'iny ihany, ireo Tsadoseanina izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty ho velona dia mba nisy nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy

24 hoe: Mpampianatra o, izao no voalazan'i Mosesy: Raha misy lehilahy maty tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vady navelany, mba hiteraka hamela solofo ho an'ny maty.

25 Koa nisy teo aminay olona fito mirahalahy. Nampaka-bady ny lahimatoa, saingy maty tsy nanana solofo ka namela ny vadiny ho an'ny rahalahiny.

26 Toraka izany koa ity faharoa sy ny fahatelo ary dia hatramin'izy fito mirahalahy.

27 Taorian'izy rehetra dia maty koa ravehivavy.

28 Amin'ny fitsanganan'ny maty ho velona ary, mba ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy ireo ravehivavy fa izy rehetra efa samy nanambady azy?

29 Dia novalian'i Jesoa hoe: Diso hevitra ianareo fa tsy misy fantatrareo na ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra?

30 Rehefa tonga ny fitsanganan'ny maty ho velona, dia tsy hisy olona hampaka-bady na hampakarina intsony, fa samy hitovy amin'ny anjely any an-danitra avokoa.

31 Ary momba ny hoe fitsanganan'ny maty ho velona, moa tsy novakinareo ao amin'ny bokin'i Mosesy ve ilay voalazan'Andriamanitra taminareo hoe:

32 Izaho no Andriamanitr'i Abrahama, sy Andriamanitr'i Itsehaka ary Andriamanitr'i Jakoba? Tsy Andriamanitry ny maty Izy fa Andriamanitry ny velona.

33 Gaga dia gaga ny vahoaka nony nandre izany fampianaran'i Jesoa izany.

34 Vao ren'ny Farisianina fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Tsadoseanina, dia vory teo amin'io toerana io ry zareo.

35 Ary mpahay lalana ny anankiray tamin'ireto Farisianina, ka mba hamandrihany an'i Jesoa no nanontaniany Azy hoe:

36 Mpampianatra o, inona no didy lehibe indrindra ao amin'ny lalana?

37 Dia hoy i Jesoa taminy: Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny sainao manontolo.

38 Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.

39 Ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany, dia izao: Tiavo ny namanao tahaka ny itiavanao ny tenanao.

40 Ireo didy anankiroa ireo no ifaharan'ny lalanan'i Mosesy manontolo sy ny fampianaran'ny mpaminany.

41 Raha mbola vory teo iny kosa ny Farisianina, dia nanontany azy ireo i Jesoa

42 nanao hoe: Ahoana no hevitrareo ny amin'ny Mesia, Zanak'iza moa Izy? Dia novalian'ireo hoe: Zanak'i Davida!

43 Ary hoy i Jesoa taminy: Nahoana ary i Davida, rehefa nohazavain'ny Fanahy Masina, no miantso ny Mesia hoe: Tompoko? Fa izao no tenin'i Davida:

44 Ny Tompo Andriamanitra dia niteny hentitra tamin'ny Mpanjaka Tompoko hoe: Mipetraha amin'ny sezafiandrianana eto ankavanako; Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!

45 Koa raha i Davida ary miantso ny Mesia hoe Tompoko, ahoana no maha Zanany Azy?

46 Dia tsy nisy nahavaly an'i Jesoa na dia teny iray akory aza ry zareo; ary nanomboka hatramin'io andro io dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563