Matio
Toko faha-17
1 Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakoba sy i Johany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.2 Dia niova tarehy teo anatrehan'izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.
3 Ary indreo koa hitan'izy telo lahy i Mosesy sy i Elia niresaka tamin'i Jesoa.
4 Dia hoy i Petera tamin'i Jesoa: Tompo o, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia.
5 Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin'io rahona io nanao hoe: Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!
6 Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin'ny tany.
7 Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: Miarena! Aoka izay ny tahotra!
8 Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.
9 Tamin'izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen'i Jesoa azy telo lahy: Aza lazaina na amin'iza na amin'iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona ho velona avy any amin'ny maty.
10 Dia nanontany an'i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: Nahoana ary no lazain'ny mpahay lalana fa tsy maintsy ho avy i Elia, alohan'ny hahatongavan'ny Mesia?
11 Ary novalian'i Jesoa hoe: Tsy maintsy ho avy i Elia hampody ny zavatra rehetra amin'ny laoniny.
12 Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elia, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak'olona.
13 Tamin'izay dia azon'ireto mpianatra telo lahy an-tsaina fa i Johany Mpanao batisa no voalazan'i Jesoa taminy.
14 Nony tafaverina teo amin'ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany
15 sady nanao hoe: Tompo o, mamindra fo amin'ny zanako lahy! Mararin'ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano.
16 Efa nentiko teo amin'ireo mpianatrao, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.
17 Dia hoy i Jesoa: Karazan'olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento aty amiko ny zaza!
18 Dia notenenin'i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin'ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin'io ora io.
19 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe: Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?
20 Dia hoy i Jesoa taminy: Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindra ery, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
21 Iny karazan-demony iny anefa dia tsy tafavoaka, raha tsy amin'ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.]
22 Raha mbola tafaraka tany Galilea ry i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: Efa hatolotra eo an-tanan'ny olona ny Zanak'olona
23 ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin'ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.
24 Nony tonga tao Kafarnahoma i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia nanatona an'i Petera ireo mpandray ny denary anankiroa hetran'ny tempoly, ary nanontany azy hoe: Moa tsy mandoa ny denary anankiroa hetran'ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?
25 Dia novalian'i Petera hoe: Mandoa izany Izy! Vao niditra tao an-trano i Petera, dia notsenain'i Jesoa nilazany hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Iza no andraisan'ny mpanjaka ety an-tany fadintseranana sy hetra, ny ankohonany sa ny olon-kafa?
26 Dia novalian'i Petera hoe: Ny olon-kafa! Ary hoy i Jesoa taminy: Raha izany ary, dia afaka ny ankohonany.
27 Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denary efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!