Matio

Toko faha-25

1 Amin'izay ny Fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanalany ka lasa hitsena ny mpampakatra.

2 Ny dimy tamin'ireo tovovavy ireo dia adala; fa ny dimy kosa hendry.

3 Ireo adala dia nitondra ny fanalany, kanefa tsy nitondra solika;

4 fa ireo hendry kosa nitondra ny fanalany sady nitondra solika tamin'ny tavoahangin-tsolika.

5 Andrasana ela ny fiavian'ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.

6 Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: Inty tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!

7 Tamin'izay dia samy niarina avokoa ireo tovovavy ary samy namboatra ny fanalany.

8 Ka hoy ireo adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny fanalanay.

9 Dia novalian'ny hendry hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo; fa aleo mankany amin'ny mpivarotra ianareo mividy ho anareo.

10 Raha mbola nandeha nividy solika ireo adala, dia tonga ny mpampakatra; ka ireo tovovavy dimy efa vonona no niara-niditra tamin'ny mpampakatra tao amin'ny fanasambe fampakaram-bady ary nohidiana ny varavarana.

11 Taorian'izany, dia tonga ireo tovovavy sasany ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay!

12 Fa novalian'ny mpampakatra hoe: Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro ianareo.

13 Dia nofaranan'i Jesoa hoe: Miambena ary ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.

14 Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ny lehilahy handeha any an-tany hafa, ka niantso ny mpanompony ary nametraka ny fananany taminy.

15 Koa ny anankiray dia nomeny denary 30 000, ny anankiray denary 12 000 ary ny anankiray denary 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa.

16 Avy hatrany ilay nandray denary 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denary 30 000.

17 Toy izany koa no nataon'ilay nandray ny denary 12 000 ka nahazo tombony denary 12 000.

18 Fa ilay nandray denary 6 000 kosa dia lasa nihady tany ka nandevina ny volan'ny tompony.

19 Nony ela, dia niverina ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampamoaka azy telo lahy ny amin'ny petra-bolany.

20 Dia nanatona ilay nandray denary 30 000 ka nanolotra denary 30 000 hafa koa sady nilaza hoe: Denary 30 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 30 000 hafa tombony aho.

21 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!

22 Dia nanatona koa ilay nandray denary 12 000 ary nilaza hoe: Denary 12 000, tompoko, no napetrakao tamiko; indro fa nahazo denary 12 000 hafa tombony aho.

23 Dia hoy ny tompony taminy: Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin'ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!

24 Dia nanatona kosa ilay nandray denary 6 000 ary nilaza hoe: Fantatro, tompoko, fa lehilahy mila voatsiary ianao, ka mijinja amin'izay tsy namafazanao ary manangona amin'izay tsy nanelezanao.

25 Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny volanao tao anaty tany; koa indro fa averiko aminao ny fanananao.

26 Dia hoy ny tompony taminy: Mpanompo ratsy sady kamo raha ianao! Fantatrao fa mijinja amin'izay tsy namafazako aho ary manangona amin'izay tsy nanelezako.

27 Noho izany, tokony ho napetrakao tany amin'ny banky ny volako ary ho noraisiko mbamin'ny zana-bola ny fananako rehefa tafaverina aho.

28 Koa alao ny denary 6 000 eny aminy, dia omeo an'ilay manana denary 60 000.

29 Eny, izay rehetra manana no homena hatrany ary hanam-be; fa izay tsy manana kosa, na izay kely ananany aza dia halana aminy.

30 Ary io mpanompo tsy misy ilana azy io, roahy any amin'ny haizina any ivelany; ka any izy no hitomany sy hikitro-nify.

31 Rehefa ho avy amin'ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak'olona sady hotronin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin'ny sezafiandrianany mamirapiratra.

32 Ary hangonina eo anatrehan'ny Zanak'olona ny firenena rehetra. Dia hanavaka ny olona ho roa tonta ny Zanak'olona, tahaka ny mpiandry manavaka ny ondry amin'ny osy;

33 ka ny ondry no hataon'ny Zanak'olona eo ankavanany fa ny osy hataony eo ankaviany.

34 Ary dia izao no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankavanany: Avia ianareo nomban'ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an'izao tontolo izao.

35 Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;

36 tsy nitafy Aho, dia notafinareo; narary Aho, dia nokarakarainareo; tany am-ponja Aho, dia novangianareo.

37 Ary dia hanontany Azy ny olo-marina ka hanao hoe: Tompo o, oviana Ianao no hitanay noana ka nomenay hanina; na nangetaheta ka nampisotroinay?

38 Oviana Ianao no hitanay nivahiny ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafinay?

39 Oviana Ianao no hitanay narary na tany am-ponja ka novangianay?

40 Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.

41 Ary dia izao kosa no holazain'ny Mpanjaka amin'izay eo ankaviany: Miala amiko ianareo voaozona, mandehana any amin'ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny.

42 Fa noana Aho, dia tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia tsy nomenareo hosotroina;

43 Nivahiny Aho, dia tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, dia tsy notafinareo; narary sy tany am-ponja Aho, dia tsy nokarakarainareo.

44 Ary dia hanontany Azy kosa ireo ka hanao hoe: Tompo o, oviana Ianao no hitanay noana na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany am-ponja ka tsy nampianay?

45 Dia hovalian'ny Mpanjaka hoe: Lazaiko marina aminareo fa araka izay tsy nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto havako madinika indrindra ireto no tsy nataonareo tamiko.

46 Dia hiroso ho any amin'ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057