Matio

Toko faha-24

1 Dia niala teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

2 Ary niteny i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe: Hitanareo moa ireo rehetra ireo? Lazaiko marina aminareo fa tsy havela hisy vato mifanongoa eo ka tsy harodana!

3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Analanoliva i Jesoa; dia nanatona Azy manokana ireo mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay fotoana hahatongavan'izany ary izay hamantarana ny fiavianao sy ny fiafaran'izao tontolo izao.

4 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tandremo fandrao hisy hamitaka anareo.

5 Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako ary hiteny hoe: Izaho no ilay Mesia; ary maro ny olona ho voafitany.

6 Handre ady sy filazana ady ianareo, koa fadio izay hatahotra; eny, tsy maintsy ho tonga izany, kanefa tsy mbola izany no farany.

7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, hisy koa fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny toerana samihafa.

8 Izany rehetra izany no toy ny santatry ny fanaintainam-piterahana.

9 Amin'izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalina sy hovonoina; ary ho halan'ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko.

10 Amin'izany andro izany koa, dia maro ny olona ho voatarika amin'ny ratsy ka hifampiampanga sy hifankahala.

11 Betsaka ireo mpisandoka ho mpaminany no hijoro, ka hamitaka olona maro.

12 Ary dia hihanaka tokoa ny ratsy ka hihamangatsiaka ny fitiavana an'Andriamanitra ao am-pon'ny maro;

13 Kanefa izay maharitra hatramin'ny farany no ho voavonjy.

14 Ary dia hatao antso avo eran'izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin'ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.

15 Ho hitanareo tafajoro ao amin'ny Toeramasina ilay fanimbazimbana mahatsiravina, voalazan'i Daniela mpaminanin'Andriamanitra. (Aoka hahazo tsara izay mamaky!)

16 Koa amin'izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra;

17 izay any an-tampon-trano aoka tsy hidina haka izay zavatra ao an-tranony;

18 izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka ny lambany.

19 Loza no hanjo ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'ireo andro ireo!

20 Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina na ho amin'ny sabata no handosiranareo.

21 Amin'izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny niandohan'izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.

22 Raha tsy efa nanapa-kevitra hanafohy ireo andro ireo Andriamanitra, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa noho ny olom-boafidiny, dia hohafohezin'Andriamanitra ireo andro ireo.

23 Amin'izany, raha misy olona milaza aminareo hoe: Indro aty ny Mesia, na hoe: Ary Izy, dia aza mino.

24 Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin'Andriamanitra aza raha azony natao.

25 Izay ary, fa efa voalazako mialoha taminareo izany.

26 Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: Indro any an-taniefitra ny Mesia, dia aza mankany; na hoe: Indro ato amin'ny toera-miafina ato Izy, dia aza mino.

27 Eny, ho tahaka ny tselatra, mipoitra avy any atsinanana ka manazava hatrany andrefana, no fiavian'ny Zanak'olona.

28 Fa na aiza na aiza misy ny faty dia any no hifamotoanan'ny voromahery.

29 Raha vao afaka ny fijaliana amin'ireo andro ireo, dia hihamaizina ny masoandro, tsy handefa taratra intsony ny volana, hiraraka avy eny amin'ny habakabaka ny kintana ary ho voahozongozona ny herin'ny habakabaka.

30 Amin'izay dia hiseho eny amin'ny habakabaka ny famantarana momba ny Zanak'olona; ka handon-tratra avokoa ny firenena rehetra eto an-tany ary hahita ny Zanak'olona tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka sady omban-kery sy voninahitra lehibe.

31 Dia hisy trompetra haneno mafy; ary hirahin'ny Zanak'olona ireo anjeliny, ka ireo no hanangona ny olom-boafidiny avy any amin'ny vazan-tany efatra, manomboka amin'ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin'ny faravodilanitra andaniny.

32 Raiso ho anatra ity fanoharana avy amin'ny aviavy ity: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fahavaratra.

33 Toy izany koa, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky ny Zanak'olona ary mby eo am-baravarana.

34 Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy ho tapitra akory ity taranaka ity, dia ho tonga izany rehetra izany.

35 Ho levona ny tany amana habakabaka, fa ny teniko tsy mba ho levona.

36 Ny amin'izay andro sy ora hahatongavan'izany dia tsy misy mahalala na ny anjely any an-danitra na ny Zanaka, fa izy Ray irery ihany.

37 Eny, tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fiavian'ny Zanak'olona.

38 Fa tamin'ireo andro nialoha ny safodrano dia nihinana sy nisotro ary nampaka-bady na nampakarina ny olona, mandra-pigadon'ny andro nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara,

39 ary tsy nanampo na inona na inona ny olona mandra-pahatongan'ny safodrano izay nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa ny fiavian'ny Zanak'olona.

40 Amin'izany, hisy roa lahy tafaraka eny an-tsaha; ka ny iray halaina, ny iray havela;

41 hisy roa vavy miara-mikoso-bary: ka ny iray halaina, ny iray havela.

42 Koa miambena ary, fa tsy fantatrareo izay andro hiavian'ny Tomponareo.

43 Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian'ny mpangalatra amin'ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamina.

44 Noho izany, aoka ho vonona hatrany koa ianareo, fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'olona.

45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren'ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana?

46 Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahita azy manao raharaha toy izany.

47 Lazaiko marina aminareo fa hotendren'ny tompony hiadidy ny fananany rehetra izy.

48 Raha ho ratsy fanahy kosa io mpanompo io ka hanao anakampo hoe: Mbola haharitra ela ny tompoko,

49 ary hihetraketraka amin'ireo mpanompo namany sady hanaram-po hihinana sy hisotro miaraka amin'ny mpimamo,

50 dia ho tonga ilay tompony amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0559