2 Samoela
Toko 1 Taorian'ny nahafatesan'i Saoly, dia niverina tao Tsiklaga i Davida ka nijanona roa andro tao rehefa avy nandresy ny Hamalekita.
Toko 2 Taorian'izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: Handeha ho any amin'ny tanana iray any Joda ve aho? Ka novalian'ny TOMPO hoe: Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: Any Hebrona.
Toko 3 Naharitra ela ny adin'ny mpomba an'i Saoly sy ny mpomba an'i Davida. Nihanahery hatrany anefa i Davida fa tsy nitsaha-nikorosy kosa ny taranak'i Saoly.
Toko 4 Rehefa ren'i Isboseta zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.
Toko 5 Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny fokon'i Israely rehetra ka nanao taminy hoe: - Indreto izahay havanao sy tapakao.
Toko 6 Novorin'i Davida indray ireo miaramila voafantina rehetra tamin'i Israely izay misy antokony telopolo.
Toko 7 Rehefa tafapetraka tao an-dapany ny mpanjaka ary nampiadanin'ny TOMPO tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra,
Toko 8 Taorian'izany dia nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampilefitra azy; ary nalainy teo an-tanan'ny Filistinina ny fifehezan-drenivohitra.
Toko 9 Hoy i Davida indray andro: Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin'i Jonatana.
Toko 10 Taorian'izany, dia maty ny mpanjakan'ny Hamonita, ka i Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko 11 Ny taona manaraka, rehefa tonga ny fotoana fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny manamboninahiny ary ny tafika israelita manontolo i Davida mba handringana ny Hamonita sy hanao fahirano an'i Raba. I Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
Toko 12 Naniraka an'i Natana mpaminany ho any amin'i Davida ny TOMPO. Rehefa tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe: Nisy lehilahy roa tao amin'ny tanana iray, ny anankiray mpanankarena ary ny anankiray mahantra.
Toko 13 Izao no nitranga taorian'izany: I Absaloma zanakalahin'i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnona zanakalahin'i Davida anankiray.
Toko 14 Tsapan'i Joaba zanakalahin'i Tseroia fa tezitra tamin'i Absaloma ny fon'ny mpanjaka.
Toko 15 Taorian'izany i Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly, ary koa vatan-dehilahy dimampolo hihazakazaka eo alohany.
Toko 16 Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsiba mpanompon'i Mefiboseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran'ny siny hoditra.
Toko 17 Hoy i Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifidy lehilahy 12 000 hoentiko hanenjika an'i Davida anio alina.
Toko 18 Nampilaharin'i Davida ny miaramila izay niaraka taminy ka nanendreny mpifehy arivo sy mpifehy zato hibaiko azy.
Toko 19 Niontam-po ny mpanjaka, ka lasa niakatra nankao amin'ny efitrano teo ambony vavahady mba hitomany. Hoy izy teny am-pandehanana: Ry Absaloma zanako o, ry zanako! Ry Absaloma zanako o! Inay anie aho no maty nisolo anao! Ry Absaloma zanako o, ry zanako!
Toko 20 Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Seba, zanakalahin'i Bikry sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: Tsy manana anjara amin'i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin'io zanakalahin'i Jisay io! Samia mody any amin'ny fonenany avy, ry Israelita o!
Toko 21 Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: Avy amin'i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehonita.
Toko 22 Dia nanao izao tononkira izao ho an'ny TOMPO i Davida tamin'ny andro izay nanafahany azy tamin'ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly.
Toko 23 Izao no fanambarana farany nataon'i Davida: Teny hentitr'i Davida, zanakalahin'i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin'ilay Andriamanitr'i Jakoba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason'ireo hiran'i Israely:
Toko 24 Nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an'i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.