2 Samoela

Toko faha-2

1 Taorian'izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: Handeha ho any amin'ny tanana iray any Joda ve aho? Ka novalian'ny TOMPO hoe: Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: Any Hebrona.

2 Dia nankany i Davida niaraka tamin'ny vadiny roa, dia i Ahinohama avy any Jizrehela sy i Abigaila vady navelan'i Nabala avy any Karmela.

3 Nentin'i Davida koa ireo namany nombam-pianakaviany avy, ka nonina tao amin'ireo tanana kely akaikin'i Hebrona izy rehetra.

4 Ary tonga tao ny vahoakan'i Joda, ka nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'i Joda. Nisy nanambara tamin'i Davida fa ny mponin'i Jabesa any Gilehada no nandevina an'i Saoly;

5 dia nandefa iraka hankany amin'ny mponin'i Jabesa izy hilaza hoe: Hitahy anareo anie ny TOMPO noho izao mari-pitiavana nasehonareo tamin'ny nandevenanareo an'i Saoly tomponareo izao.

6 Ka ny TOMPO anie haneho fitiavana sy toetra mahatoky aminareo; ary izaho koa dia hamaly soa anareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.

7 Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan'ny vahoakan'i Joda ho mpanjaka eo aminy.

8 Fa nentin'i Abinera zanakalahin'i Nera sady lehiben'ny tafik'i Saoly nankany Mahanaima i Isboseta zanakalahin'i Saoly,

9 ka nataony mpanjaka tamin'ny faritr'i Gilehada sy ny Asorita mbamin'i Jizrehela sy i Efraima sy i Benjamina ary i Israely manontolo.

10 Efapolo taona i Isboseta zanakalahin'i Saoly raha nanjaka tamin'i Israely, ary roa taona no nanjakany. Ny fokon'i Joda ihany no nanaiky an'i Davida.

11 Fito taona sy tapany no nanjakan'i Davida tamin'ny fokon'i Joda tao Hebrona.

12 Niala tao Mahanaima i Abinera zanakalahin'i Nera sy ny mpanompon'i Isboseta zanakalahin'i Saoly ka nankany Gibehona.

13 Dia niainga koa i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy ny mpanompon'i Davida; ka tafahoana teo akaikin'ny dobo tao Gibehona ny roa tonta ary samy naka toerana nifanatrika teo amoron'ny dobo.

14 Ary hoy i Abinera tamin'i Joaba: Aoka hitsangana ireo zatovontsika mba hifampitsapa hery eto anatrehantsika. Dia novalian'i Joaba hoe: Aoka ary izy hitsangana.

15 Dia nisy nitsangana ireo ary niroso hoisaina, ka 12 lahy tamin'i Benjamina mpomba an'i Isboseta zanakalahin'i Saoly ary 12 lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.

16 Samy nifampihazon-doha avy ny mpifaninana sady nifanindron-tehezana tamin'ny sabatra ka dia samy niara-davo. Izany no nanaovana io toerana ao Gibehona io hoe Sahan-tsaba-maranitra.

17 Nafotaka tokoa ny ady tamin'io andro io. Nilavo lefona teo anoloan'ny mpanompon'i Davida i Abinera sy ny olon'i Israely.

18 Nanatrika teo koa ny zanak'i Tseroia telo lahy dia i Joaba sy i Abisay ary i Asahela; ity Asahela ity dia fangaim-pandeha toy ny gazela any an-taniefitra,

19 ka nanenjika an'i Abinera sady tsy nivilivily mihitsy na tamin'ny ankavia na tamin'ny ankavanana.

20 Niherika kosa i Abinera ka nanontany azy hoe: Ianao ve io, ry Asahela? Dia hoy ny navaliny: Eny, izaho ihany ity.

21 Ary hoy i Abinera taminy: Aza manenjika ahy ianao, fa mivilia amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia ka sambory ny iray amin'ireo tovolahy ary alaivo ho anao izay fitaovana eny aminy. Tsy nety nivily anefa i Asahela fa nanenjika azy ihany.

22 Ka hoy indray i Abinera tamin'i Asahela: Mivilia ianao fa aza manenjika ahy intsony, fandrao dia hatrosiko amin'ny tany ho faty! Kanefa hataoko ahoana ny hahajery an'i Joaba rahalahinao?

23 Mbola tsy nety nivily ihany anefa i Asahela, koa dia nasian'i Abinera tamin'ny vody lefona ny kibony ka tafagorobaka tany an-damosiny. Nitrosina tamin'ny tany izy ary maty tsy tra-drano teo. Izay rehetra tonga teo amin'ny toerana nahafatesan'i Asahela dia nijanona avokoa.

24 Fa i Joaba sy i Abisay nanenjika an'i Abinera. Maty masoandro izy ireo raha tonga tao Gibeha-Ama izay eo atsinanan'i Giha amin'ny lalan'ny taniefitr'i Gibehona.

25 Niangona ho antoko iray teo amin'i Abinera ny miaramilan'i Benjamina ka nijanona teo an-tampon-kavoana iray.

26 Ary niantso mafy an'i Joaba i Abinera hoe: Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr'izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan'ny mpirahalahy izao?

27 Dia hoy i Joaba: Velona Andriamanitra ka manizingizina aho fa raha tsy noho ny teninao dia tsy ho nampitsahatra izao fifamonoan'ny mpirahalahy izao akory ny oloko alohan'ny rahampitso maraina.

28 Dia notsofin'i Joaba ny anjomara, ka nijanona tsy nanenjika ny Israelita intsony ny miaramilany rehetra; ary nitsahatra ny ady.

29 Nandritra ny alina dia nitety ny lemak'i Araba i Abinera sy ny olony ka nita an'i Jordana, namaky an'i Bitrona iray manontolo ary tonga tao Mahanaima.

30 Rehefa nijanona tsy nanenjika an'i Abinera i Joaba, dia namory ny tafiny manontolo; koa tamin'ireo mpanompon'i Davida, dia miaramila 19 sy Asahela ihany no tsy teo.

31 Fa ny mpanompon'i Davida kosa nahafaty 360 lahy tamin'ny Benjaminita sy miaramila hafan'i Abinera.

32 Nentina ny fatin'i Asahela ka nalevina tao amin'ny fasan-drainy tao Betlehema. Ary i Joaba sy ny olony nanao lava alina, dia tonga tany Hebrona tamin'ny mazava ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0849