2 Samoela

Toko faha-20

1 Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Seba, zanakalahin'i Bikry sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: Tsy manana anjara amin'i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin'io zanakalahin'i Jisay io! Samia mody any amin'ny fonenany avy, ry Israelita o!

2 Ary nandao an'i Davida avokoa ny lehilahy israelita avaratra, ka nanaraka an'i Seba zanakalahin'i Bikry. Fa ny lehilahy jodeanina kosa nifikitra tamin'ny mpanjakany ihany, ka tafaraka taminy hatreo Jordana ka hatrany Jerosalema.

3 Raha vao tonga tao an-tranony tany Jerosalema i Davida mpanjaka, dia naka ireo vaditsindrano folo izay najanony hiandry ny trano, ka nametraka azy tamin'ny trano iray tsara ambina. Nokojakojainy sy novelominy izy ireo saingy tsy niraisany intsony. Nahibony tao mandra-pahafatiny ireo, ka tonga mpitondratena velom-bady.

4 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hamasa: Vorio ho eto amiko ato anatin'ny telo andro ny miaramila jodeanina rehetra, ary aoka mba ho eto koa ianao.

5 Dia lasa i Hamasa namory ny tafika jodeanina; nefa dia taran'ny fe-potoana izay nomen'i Davida azy izy.

6 Ka hoy i Davida tamin'i Abisay: Ankehitriny dia efa mampidi-doza antsika mihoatra noho i Absaloma i Seba zanakalahin'i Bikry. Koa ento ny miaramila mpiambina ahy, dia enjeho izy, fandrao mahazo tanana mimanda, ka ho dify ny masontsika.

7 Nivoaka an'i Jerosalema nanaraka an'i Abisay koa ny olon'i Joaba sy ny Keretita ary ny Peletita, izany hoe ny kalaza rehetra, ka nanenjika an'i Seba zanakalahin'i Bikry.

8 Rehefa tonga teo amin'ilay vato lehibe tao Gibehona kosa ireo, dia avy nitsena azy i Hamasa. Tamin'izay ny nanaovan'i Joaba dia ny akanjo miaramila nisy ilay fehikibo nihanton'ny sabatra mbamin'ny tranony; ka nony nandroso izy, dia latsaka ilay sabatra.

9 Ary hoy i Joaba tamin'i Hamasa: Manahoana ianao, ry rahalahy? Noraisin'i Joaba tamin'ny tanany ankavanana ny volombavan'i Hamasa mba horohany.

10 Tsy nahatandrina ny sabatra izay noraisin'ny tanan-kavian'i Joaba anefa i Hamasa; kanjo nasian'i Joaba tamin'ny kibony izy, ka nivaroraka tamin'ny tany ny tsinainy. Ary matin'izany izy, fa tsy nasian'i Joaba fanindroany akory. Dia lasa i Joaba sy i Abisay mirahalahy nanenjika an'i Seba zanakalahin'i Bikry.

11 Nisy miaramilan'i Joaba iray nijanona teo akaikin'ny fatin'i Hamasa ka nanao hoe: Izay mpomba an'i Joaba sy mpiandany amin'i Davida, dia aoka izy hanaraka an'i Joaba!

12 Amin'izany i Hamasa dia nihosin-dra teo afovoan-dalana. Rehefa hitan'ilay miaramila fa nijanona ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin'ny lalana ny fatin'i Hamasa ka notarihiny ho any an-tsaha sy norakofany lamba, satria tsikariny fa izay rehetra tonga teo aminy dia nijanona avokoa.

13 Vao nesoriny teo amin'ny lalana izany, dia lasa nanaraka an'i Joaba ny tsirairay mba hanao haza lambo an'i Seba zanakalahin'i Bikry.

14 Notetezin'i Seba avokoa ny fokon'i Israely avaratra, hatrany Abela-Bety-Mahaka; ary ny Berita rehetra dia nivory ka niditra nanaraka azy tao koa.

15 Tonga kosa ry i Joaba nanao fahirano an'i Seba tao Abela-Bety-Mahaka, ary nanangana tovon-tany mitovy haavo amin'ny manda ivelan'ny tanana. Dia nanomboka nandrava ny manda ny tafika manontolo izay niaraka tamin'i Joaba mba handrodana izany.

16 Fa nisy vehivavy hendry niantsoantso avy tao an-tanana nanao hoe: Henoy! Henoy kely e! Mba lazao i Joaba hanatona ety fa te hiresaka aminy aho.

17 Rehefa nanatona an-dravehivavy izy, dia nilazany hoe: Ianao va no Joaba? Ka novaliany hoe: Eny, izaho no izy. Ary hoy indray ravehivavy taminy: Mba henoy teny aho mpanompovavinao. Ka hoy i Joaba: Mihaino anao aho.

18 Dia hoy ravehivavy taminy: Fitenin'ny olona taloha ny hoe: Anontanio ny mponin'i Abela, dia ho vita mora ny raharaha

19 Amiko dia anisan'ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin'i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanana anisan'ny lehibe amin'i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan'ny TOMPO?

20 Namaly kosa i Joaba hoe: Sanatria dia sanatria amiko ny handevona sy handrava na inona na inona.

21 Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin'ny tendrombohitr'i Efraima, atao hoe Seba zanakalahin'i Bikry izay efa nikomy hamely an'i Davida mpanjaka. Izy ihany no atolory ahy dia hiala amin'ny tanana aho. Dia hoy ravehivavy tamin'i Joaba: Ao ary fa hatsipinay aminao ankoatra ny manda ny lohany.

22 Nikabarian-dravehivavy tamim-pahendrena avokoa ny mpiray tanana, dia notapahina ny lohan'i Seba zanakalahin'i Bikry ka natsipy teny amin'i Joaba. Notsofin'i Joaba ny anjomara, dia tsy nanao fahirano ny tanana intsony ny miaramilany ary samy namonjy ny fonenany avy. I Joaba kosa mbola niverina tany Jerosalema ho eo amin'ny mpanjaka.

23 I Joaba no filohan'ny tafika manontolo tamin'i Israely; i Benaia zanakalahin'i Joiada no lehiben'ny Keretita sy Peletita mpiambina an'i Davida;

24 i Adorama no tonian'ny asam-panompoana; i Josafata zanakalahin'i Ahiloda no mpitahiry ny raki-tsoratra;

25 i Seva no mpitantsoratra; i Tsadoka sy i Abiatara no mpisorona;

26 ary i Hira, ilay Jairita, no mpanolotsain'i Davida.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0567