2 Samoela
Toko faha-23
1 Izao no fanambarana farany nataon'i Davida: Teny hentitr'i Davida, zanakalahin'i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin'ilay Andriamanitr'i Jakoba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason'ireo hiran'i Israely:2 Ny Fanahin'ny TOMPO no mampiteny ahy sy mametraka ao am-bavako ny teniny.
3 Ny Andriamanitr'i Israely sady mpiaro azy no efa niteny ka nanao tamiko hoe: Ny mpanjaka izay mifehy ny olona amim-pahamarinana sy mitondra azy amim-panajana an'Andriamanitra
4 dia toy ny fahazavan'ny maraina raha miposaka ny masoandro amin'iny maraina tsy misy rahona iny. Ny tarany mafana mandimby ny orana no mampaniry ny ahitra amin'ny tany.
5 Toy izany indrindra ny fianakaviako eo anoloan'Andriamanitra; fa fanekempihavanana maharitra mandrakizay no nataon'Andriamanitra tamiko, dia fanekempihavanana mirindra sy voatandro amin'ny lafiny rehetra. Ny fandresena sy ny zava-tsoa azoko dia Izy no ipoiran'ireny rehetra ireny.
6 Fa ny olom-poana rehetra kosa dia tahaka ny tsilo fanary ka tsy mba fandrain-tanana.
7 Izay te hikasika azy dia tsy maintsy mirongo faraingo vy na zaran-defona; ary ireny tsilo ireny dia dorana amin'ny afo eo amin'ny toerana itobiany eo ihany.
8 Ireto avy ny anaran'ireo kalazan'i Davida: i Isbahala, zanakalahin'i Hakmony sady filohan'ny Tariky ny telo lahy. Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin'ny ady indray mandeha monja.
9 Manaraka azy dia i Elehazara, zanakalahin'i Dodao ary zafikelin'ny lehilahy iray avy any Ahoa. Anisan'ny Tariky ny telo lahy kalaza izay niaraka tamin'i Davida izy, fony nihaika ny Filistinina tafangona hiady ireo. Nihemotra ny tafik'i Israely,
10 fa i Elehazara kosa niaritra ka namely ny Filistinina mandra-pahavizan'ny tanany nihazona mafy ny sabany. Fandresena miezinezina no nataon'ny TOMPO tamin'izay andro izay. Niverina nanjohy an'i Elehazara haka ny fiadian'ireo maty no sisa nataon'ny tafika israelita.
11 Manaraka azy dia i Sama, zanakalahin'i Age avy any Harara. Rehefa tafangona tao Lehy teo amin'ny saham-boanemba ny Filistinina, dia nandosiran'ny tafik'i Israely;
12 nefa nijanona teo afovoan'ny saha i Sama ka niaro izany ary namely ny Filistinina. Fandresena miezinezina no mbola nataon'ny TOMPO.
13 Indray andro tamin'ny fararano, dia nisy telo lahy anisan'ny andian'ny telopolo lahy nidina ka tonga tany amin'i Davida tao amin'ny zohin'i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan'ny Refaita.
14 Ary i Davida efa tao amin'ny fiereny, raha mby tao Betlehema ny andia-miaramilan'ny Filistinina.
15 Tamin'izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin'ilay fantsakana eo akaikin'ny vavahadin'i Betlehema?
16 Dia niroatra namakivaky ny tobin'ny Filistinina izy telo lahy ireto, ka nanovo rano tamin'ilay fantsakana teo akaikin'ny vavahadin'i Betlehema, ary nentiny ho any amin'i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida, fa nanolotra izany ho an'ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
17 sady niteny hoe: Sanatria, TOMPO o, raha hisotro amin'io rano io aho. Moa tsy toy ny ran'ireo lehilahy izay nanao vy very ny ainy ve io? Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany sy izany no nataon'ireto kalaza telo lahy ireto.
18 I Abisay rahalahin'i Joaba sady zanakalahin'i Tseroia, no filohan'ny andian'ny telopolo lahy. Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato ka nahafaty azy; ary nanan-daza mitovy amin'ireto telo lahy ireto izy.
19 Nomen-kaja avo roa heny kosa i Abisay teo amin'ny andian'ny telopolo lahy, ka lasa lehibeny; saingy tsy afaka nifaninana tamin'ny Tariky ny telo lahy izy.
20 I Benaia, avy any Kabitseela, dia zanakalahin'i Joiada sady zafikelin'ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaia. Izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy tao Moaba; izy koa no nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin'ny indray andro nisy oram-panala.
21 Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina ranjanana izay nirongo lefona; tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan'ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
22 Ireo no zava-bitan'i Benaia zanakalahin'i Joiada; ary nanan-daza mitovy amin'ireto kalaza telo lahy ireto izy.
23 Nomen-kaja kosa i Benaia teo amin'ny andian'ny telopolo lahy, saingy tsy afaka nifaninana tamin'ny Tariky ny telo lahy. Izy no voatendrin'i Davida hifehy ny mpiambina azy.
24 Ny andian'ny telopolo lahy dia nisy an'ireto koa: I Hasahela rahalahin'i Joaba; i Elehanana zanakalahin'i Dodao avy any Betlehema;
25 i Sama avy any Haroda; i Elika avy any Haroda;
26 i Heletsa avy any Palty; i Hira zanakalahin'i Hikesy avy any Tekoa;
27 i Abihezera avy any Hanatota; i Mebonay avy any Hosa;
28 i Tsalmona avy any Ahoa; i Maheray avy any Netofa;
29 i Heleba zanakalahin'i Bahana avy any Netofa; i Itahy zanakalahin'i Ribay avy any Gibeha-n'ireo Benjaminita;
30 i Benaia avy any Piratona; i Hiday avy any amin'ny lohasahan-driakan'i Gahasa;
31 i Aby-Halbona avy any Haraba; i Hazmavety avy any Bahorima;
32 Eliahaba avy any Sahalbona; i Jasena avy any Gizona; i Jonatana,
33 zanakalahin'i Sama avy any Harara; i Ahiama zanakalahin'i Sarara avy any Harara;
34 i Elifelety zanakalahin'i Ahasbay ary zafikelin'olona avy any Mahaka, i Elihama zanakalahin'i Ahitofela avy any Gilao;
35 i Hetsirao avy any Karmela; i Paharay avy any Araba;
36 i Jigala zanakalahin'i Natana avy any Tsoba; i Bany avy amin'ny fokon'i Gada;
37 i Tseleka, ilay Hamonita; i Naharay avy any Beerota; mpitondra ny fiadian'i Joaba zanakalahin'i Tseroia;
38 i Hira sy i Gareba, samy avy amin'ny fianakavian'i Jetera;
39 ary i Oria, ilay Hetita. Fito amby telopolo no fitambaran'ireo kalaza rehetra.