2 Samoela
Toko faha-17
1 Hoy i Ahitofela tamin'i Absaloma: Aoka aho hifidy lehilahy 12 000 hoentiko hanenjika an'i Davida anio alina.2 Hotampohiko amin'ilay mbola sasatra sy reraka iny izy ka hampihorohoroiko. Handositra ny olona rehetra tafaraka taminy, ary ny mpanjaka irery no hovonoiko ho faty.
3 Dia haveriko ho aty aminao ny vahoaka rehetra; satria miankina amin'ny fahazoana io lehilahy tadiavinao io ny hiverenan'ny besinimaro aminao ka hiadanan'ny vahoaka rehetra.
4 Nahafaly an'i Absaloma sy ny loholon'i Israely rehetra izany hevitra izany.
5 Kanefa hoy i Absaloma hoe: Antsoy koa i Hosay, ilay Arkita, mba handrenesantsika izay teniny.
6 Rehefa tonga teo amin'i Absaloma i Hosay, dia nilazany hoe: Izao no notenenin'i Ahitofela, ka harahintsika ve ny teniny? Raha tsy sitrakao izany, dia mitenena ianao.
7 Fa hoy ny navalin'i Hosay an'i Absaloma: Tamin'ity dia tsy tsara ny torohevitr'i Ahitofela.
8 Ka hoy aho hoe: Fantatrao tsara ny rainao sy ireo olony; fa kalaza ireo sady masiaka tahaka ny orsa very anaka any an-tsaha. Ary ny rainao dia lehilahy mpiady ka tsy mba miara-mitoetra amin'ny vahoaka nony alina.
9 Indro izy ankehitriny fa miery any an-davabato na any an-toeran-kafa any. Raha manomboka misy voa amintsika, izay mandre ny vaovao dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona mpanaraka an'i Absaloma.
10 Koa na dia izay be herimpo indrindra toy ny liona aza dia hivalaketraka, satria fantatry ny Israelita rehetra fa kalaza ny rainao ary mahery fo ireo tafaraka aminy.
11 Izao ary no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.
12 Ho tonga any amin'izay itoeran'i Davida isika, ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany; ary tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'ny olona rehetra tafaraka aminy.
13 Fa raha mitsoaka mankamin'ny tanana iray izy, dia hitondran'i Israely manontolo tady mahazaka izany tanana izany, ka hotarihintsika hivarina any amin'ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
14 Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: Tsara noho ny torohevitr'i Ahitofela ny an'i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon'ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr'i Ahitofela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin'i Absaloma.
15 Hoy i Hosay tamin'i Tsadoka sy i Abiatara mpisorona: Izany sy izany no torohevitra nomen'i Ahitofela an'i Absaloma sy ireo loholon'i Israely, ary dia izay sy izay kosa ny torohevitra nomeko.
16 Ankehitriny, maniraha haingana hampandre an'i Davida; lazao izy tsy hijanona amin'ny lemak'i Jordana rahalina fa mita faingana raha tsy te ho ringana na ny tenany na ireo olona rehetra tafaraka aminy.
17 Dia niandry tao Haina-Rogela i Jonatana sy i Ahimahatsa; ary nisy ankizivavy nilaza tamin'izy roa lahy mba hahafahany kosa mampandre an'i Davida mpanjaka, satria natahotra ny hisy mpahita izy raha miditra ny tanana.
18 Nefa nisy tovolahy iray nahita azy roa lahy ireo ka nanambara tamin'i Absaloma; fa nandositra faingana izy roa lahy ary tonga tany Bahorima tao an-tranon'ny lehilahy iray, izay nisy lava-pantsakana teo an-tokotaniny. Dia nidina tao ireo.
19 Naka labasy ny vadin'ilay rangahy tompon-trano ka narakony teo am-bavan'ny lava-pantsakana sy nanahazany voan-javatra mba tsy hanampoizana na inona na inona.
20 Ary niditra tao an-tranon'ilay ramatoa ny mpanompon'i Absaloma ka nanao hoe: Aiza i Ahimahatsa sy i Jonatana? Dia hoy ny navalin'ilay vehivavy taminy: Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon'i Absaloma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21 Nony lasa ireo, dia niakatra avy tao an-dava-pantsakana izy roa lahy ka lasa nanambara tamin'i Davida mpanjaka ny torohevitra nataon'i Ahitofela hamelezana ny tenany sy ny mpomba azy, ary nilaza hoe: Miainga, ka mita faingana ny rano.
22 Ary lasa i Davida sy ireo mpanaraka azy niampita ny ranon'i Jordana; ka nony maraina ny andro, dia tsy nisy tsy tafita an'i Jordana na dia olona iray aza.
23 Nony hitan'i Ahitofela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny borikiny, ary lasa izy nody tany an-tanana fonenany. Rehefa avy nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena ary maty ka nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
24 Tonga tao Mahanaima i Davida, raha nita an'i Jordana i Absaloma mbamin'ny miaramila rehetra amin'i Israely.
25 Notendren'i Absaloma ho lehiben'ny tafika hisolo an'i Joaba i Hamasa. Io Hamasa io dia zanakalahin'ilay Israelita atao hoe Jitra, ilay niray tamin'i Abigaila zanakavavin'i Nahasy ary rahavavin'i Tseroia, renin'i Joaba.
26 Nitoby tao amin'ny faritany Gilehada i Absaloma sy ny Israelita.
27 Rehefa tonga tao Mahanaima i Davida, dia indreo tamy i Soby zanakalahin'i Nahasy avy any Raba renivohitry ny Hamonita, sy i Makira zanakalahin'i Hamiela avy any Lo-Debara, ary i Barzilay izay Gilehadita avy any Rogelima.
28 Izy telo lahy ireo dia nitondra ho an'i Davida sy ny olona tafaraka taminy fitaovam-pandriana, lamba volonondry, lovia bakoly sy vilany tany, ary sakafo isan-karazany: varimbazaha, orza, lafarinina, lango, tsaramaso, voanemba,
29 tantely, rononomandry, ary hena ondry sy hena omby; fa hoy izy telo lahy hoe: Matin-kanoanana sy main'ny hetaheta ary sasatry ny dia tany an-taniefitra ireo olona ireo.