2 Samoela

Toko faha-16

1 Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsiba mpanompon'i Mefiboseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran'ny siny hoditra.

2 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Tsiba: Hataonao inona ireo? Dia hoy ny navalin'i Tsiba: Ny boriky, ry andriamanjaka, dia hitaingenan'ny ankohonanao; ny mofo sy ny voankazo hohanin'ireo miaramilanao; ny divay kosa hosotroin'izay reraka any an-taniefitra.

3 Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: Fa mba aiza i Mefiboseta, zafin'i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin'i Tsiba ny mpanjaka: Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian'ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.

4 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Tsiba: Indro fa omeko anao avokoa izay fananan'i Mefiboseta. Dia niankohoka ho fanajana ny mpanjaka i Tsiba sady nanao hoe: Aoka aho, ry andriamanjaka, mba hahita fitia hatrany eo imasonao!

5 Rehefa tonga teo akaikin'i Bahorima i Davida mpanjaka, dia nisy lehilahy iray natao hoe Simehy zanakalahin'i Gera sy anisan'ny havan'i Saoly; nivoaka ny tanana izy sady nanozona an'i Davida.

6 Nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny minisitra rehetra koa izy, na dia teo avokoa aza ny vahoaka sy ny miaramila izay tankavanan'ny mpanjaka sy tankaviany.

7 Ary toy izao no nolazain'i Simehy rehefa nanozona: Mandehana any, mandehana any, ry ilay lehilahy mpandatsa-dra sady ratsy fanahy!

8 Havalin'ny TOMPO aminao anie ny namonoanao ho faty ny taranak'i Saoly! Nangalarinao ny fanjakan'i Saoly ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'i Absaloma zanakalahinao; ary indro fa idiran-doza izao ianao satria lehilahy mpandatsa-dra.

9 Hoy kosa i Abisay zanakalahin'i Tseroia tamin'i Davida mpanjaka: Ahoana io alika maty io no manozona anao, ry andriamanjaka? Avelao hotapahiko ny lohan'io.

10 Fa novalian'ny mpanjaka hoe: Inona no iraharahanao izany, ry zanakalahin'i Tseroia? Matoa manozona ahy izy, dia satria ny TOMPO no nibaiko azy hanozona ahy; koa iza no sahy hanome tsiny azy amin'izany?

11 Ary hoy koa i Davida tamin'i Abisay sy ny minisitra rehetra: Raha ny zanakalahy naterako aza no mitady ny aiko, ka mainka fa io Benjaminita io! Aoka izy hanozona ahy, raha ny TOMPO no nibaiko azy hanao izany.

12 Angamba ho hitan'ny TOMPO ny fahantrako, ka hampodiny ho fanambinana ny fanozonany ahy androany.

13 Fa raha mbola nanohy ny diany i Davida sy ny olony, dia nandroso tsy lavitra azy ireo tamin'ny tehezan-tendrombohitra kosa i Simehy, sady mbola nanozona sy nitora-bato ary namafy vovoka.

14 Reraka mafy ny mpanjaka sy ny olona rehetra tafaraka taminy raha tonga teo amoron'i Jordana, koa dia naka aina teo.

15 Tonga tao Jerosalema i Absaloma sy ny vahoaka Israelita isan-karazany; ary tafaraka taminy koa i Ahitofela.

16 Rehefa mby teo amin'i Absaloma i Hosay, ilay Arkita sakaizan'i Davida, dia niantsoantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! Ho ela velona anie ny mpanjaka!

17 Fa hoy i Absaloma tamin'i Hosay: Izao va no fitiavanao an'i Davida sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka taminy?

18 Ary hoy i Hosay tamin'i Absaloma: Tsy niaraka taminy aho, satria ny tiako hiarahana dia ianao ilay nofidin'ny TOMPO sy nofidin'ireto vahoaka ireto izany hoe ny Israelita isan-karazany; ka ao aminao no hitoerako.

19 Faharoa manaraka izany, iza ianao hotompoiko izao, moa tsy ny zanakalahin'ilay sakaizako ihany va? Tahaka izay efa nanompoako an-drainao no hanompoako anao koa.

20 Hoy i Absaloma tamin'i Ahitofela: Mifampidiniha ianareo ny amin'izay tokony hataontsika:

21 Dia hoy kosa i Ahitofela tamin'i Absaloma: Mandehana mandry amin'ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baraka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan'izay rehetra mpomba anao.

22 Nananganan'ny olona lay teo an-tampon-trano i Absaloma, ka nandry tamin'ny vadikelin-drainy tao teo imason'ny Israelita rehetra izy. 23 Tamin'izay ny torohevitr'i Ahitofela dia natao ho tahaka ny tenin'Andriamanitra; ary toy izany avokoa ny torohevitra nataony na tamin'i Davida na tamin'i Absaloma.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556