2 Samoela
Toko faha-19
1 Niontam-po ny mpanjaka, ka lasa niakatra nankao amin'ny efitrano teo ambony vavahady mba hitomany. Hoy izy teny am-pandehanana: Ry Absaloma zanako o, ry zanako! Ry Absaloma zanako o! Inay anie aho no maty nisolo anao! Ry Absaloma zanako o, ry zanako!2 Ary nampandrenesina i Joaba hoe: Indro fa mitomany sy malahelo an'i Absaloma ny mpanjaka.
3 Niova ho fisaonana ho an'ny tafika manontolo tamin'io andro io ny fandresena, satria tamin'io no nandrenesany fa nalahelo mafy ny zanany ny mpanjaka.
4 Ny miaramila, tamin'io andro io, dia niditra mangingina tao an-tanana, tahaka ireny olona menatra satria mandositra an'ady ireny.
5 Fa nanaron-tava ny mpanjaka sady mbola nikiakiaka mafy hoe: Ry Absaloma zanako o! Ry Absaloma zanako o! Ry zanako o!
6 Dia nankao amin'ny mpanjaka i Joaba ka nanao taminy hoe: Norakofanao henatra androany ny miaramilanao rehetra izay namonjy aina anao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy ary ny vadinao sy ny vaditsindranonao.
7 Ny mankahala anao manko no tianao, fa ny mitia anao kosa halanao. Nasehonao androany ny mahatsinontsinona eo anatrehanao ny manamboninahitra sy ny miaramila. Eny, fantatro izao fa raha i Absaloma no velona teo ary izahay rehetra kosa no maty, dia ho faly tokoa ianao.
8 Ry andriamanjaka o, mitsangana re ianao ankehitriny, dia mandehana ampaherezo ny fon'ny miaramilanao; raha tsy mankany kosa ianao, dia ianianako amin'ny anaran'ny TOMPO ianao fa tsy hisy olona hitoetra eto aminao intsony anio alina; ary dia ho ratsy lavitra izany noho izay loza rehetra efa nanjo anao hatramin'ny fahatanoranao ka mandraka ankehitriny.
9 Dia nitsangana ny mpanjaka ka nipetraka teo am-bavahady. Ary nambara tamin'ny miaramila fa mipetraka eo am-bavahady ny mpanjaka; koa dia nitangorona teo amin'ny mpanjaka izy rehetra. Efa nandositra nody tany an-tranony avy ny Israelitan'i Absaloma.
10 Nisy ady hevitra nafana tany amin'ny foko israelita rehetra ka nifampilazana hoe: Namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no nanafaka antsika teo an-tanan'ny Filistinina; ary ankehitriny, noho ny amin'i Absaloma, dia voatery nandositra ny taniny izy.
11 Fa i Absaloma izay natsangantsika ho filohantsika kosa dia efa maty tamin'ny ady. Koa inona indray no andrasantsika tsy hamerenana ny mpanjaka?
12 Fa i Davida kosa naniraka olona hilaza amin'i Tsadoka sy i Abiatara mpisorona hoe: Mitenena amin'ny loholon'i Joda ianareo ka manontania azy hoe: 'Nahoana no ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka any an-tranony, nefa izay nolazain'ireo Israelita hafa rehetra dia efa tonga any amin'ny mpanjaka!
13 Mpiray foko amin'ny mpanjaka ianareo, ary havany sy tapany, koa nahoana no ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana azy?'
14 Izao kosa no hafatro holazainareo amin'i Hamasa: 'Moa tsy havako sy tapako va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie ny sazy faran'izay henjana, raha tsy ianao no tonga filohan'ny tafiko ho solon'i Joaba!'
15 Nandresy lahatra ny lehilahin'i Joda rehetra ny tenin'i Davida, ka dia toy ny olona iray ihany izy rehetra no naniraka hilaza amin'ny mpanjaka hoe: Modia re ianao sy ny mpanomponao rehetra!
16 Dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana. Tonga tao Gilgala tamin'izay ny olon'i Joda mba hitsena ny mpanjaka sady hampita azy an'i Jordana.
17 Ary i Simehy zanakalahin'i Gera sady Benjaminita avy any Bahorima, dia mba dodona nidina niaraka tamin'ny lehilahin'i Joda hitsena an'i Davida mpanjaka.
18 Nisy Benjaminita arivo lahy nanaraka azy; toraka izany koa i Tsiba, mpanompon'ny fianakavian'i Saoly sy ireo zanany dimy ambin'ny folo mbamin'ny mpanompony roapolo lahy. Nidodododo nankany Jordana hitsena ny mpanjaka ry i Tsiba,
19 fony namaky ny renirano ny zahatra, satria ireo no nanao izay hampitana ny fianakavian'ny mpanjaka sy hanatanterahana izay sitrany. Rehefa tafita an'i Jordana ny mpanjaka, dia niantoraka hatreo amin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka i Simehy zanakalahin'i Gera
20 sady niteny taminy hoe: Aza isainao heloka aho, ry andriamanjaka. Aza tsaroanao ny fahadisoako tamin'ny andro nandaozanao an'i Jerosalema. Aoka tsy hataonao am-po izany!
21 Fa izaho mpanomponao dia mahafantatra fa nanota tokoa; kanefa ankehitriny dia tonga aho, nialoha ny taranak'i Josefa rehetra mba hidina hitsena anao, ry andriamanjaka.
22 Fa namaly i Abisay, zanakalahin'i Tseroia ka nanao hoe: Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an'i Simehy, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.
23 Hoy kosa i Davida hoe: Tsy raharahanareo izany, ry zanakalahin'i Tseroia. Fa ahoana moa no anoheranareo ahy ankehitriny? Tsy tokony hisy olona hatao maty eto amin'i Israely anio, satria fantatro fa amin'izao andro izao no tena mpanjakan'i Israely aho.
24 Ka hoy ny mpanjaka tamin'i Simehy: Tsy ho faty tsy akory ianao. Ny tenako no mianiana izany aminao.
25 Tonga nitsena ny mpanjaka ihany koa i Mefiboseta zafikelin'i Saoly! Tsy nanasa tongotra na nanala volombava na nanasa ny fitafiany izy hatramin'ny andro nahalasanan'ny mpanjaka ka hatramin'izao niverenany tsy maty fo aman'aina izao.
26 Rehefa tonga tao Jerosalema hitsena ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana ianao, ry Mefiboseta, no tsy mba nandeha niaraka tamiko?
27 Fa hoy ny navaliny: Voafitaky ny mpanompoko aho, ry andriamanjaka. Fa hoy aho anakampoko: Noho izaho mandringa, dia hanisy lasely ny boriky vavy aho hitaingenako mba hanarahako ny mpanjaka.
28 Nefa nendrikendrehiny taminao aho. Fa toy ny anjelin'Andriamanitra kosa ianao, ry andriamanjaka; koa ataovy izay sitrakao.
29 Olona mendrika ny ho faty avokoa ny fianakavian-draiko teo anatrehanao, kanefa ianao nandray ahy mpanomponao ho isan'ny mpiray latabatra aminao. Koa zo inona indray no mbola ananako hangatahana tombontsoa hafa aminao?
30 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana indray no mbola ilazanao izany? Ambarako fa ianao sy i Tsiba no hifampizara ny tanin'i Saoly.
31 Hoy kosa i Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka ho azy avokoa ny tany rehetra, fa efa tafaverina tsy maty fo aman'aina ihany ianao, ry andriamanjaka.
32 Nidina avy tany Rogelima i Barzilay izay Gilehadita. Niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanao veloma azy ery am-pitan'ny rano.
33 Lahy antitra efa valopolo taona i Barzilay; mpanankarena izy ka nanome sakafo ny mpanjaka izay nisitaka tany Mahanaima.
34 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andao hanaraka ahy any Jerosalema ianao fa hataoko tsara karakara tokoa.
35 Fa hoy i Barzilay tamin'ny mpanjaka: Firy taona sisa hahavelomako no hiara-miakatra aminao any Jerosalema aho!
36 Efa valopolo taona aho izao; ary tsy ho haiko intsony ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, na ny mahatsapa ny tsiron'izay haniko sy sotroiko, na koa ny mankafy ny feon'ny lehilahy sy vehivavy mpihira. Koa nahoana indray izaho mpanomponao no ho enta-mavesatra ho anao, ry andriamanjaka?
37 Zara raha afaka hiampita an'i Jordana miaraka aminao aho; koa nahoana no hanehoanao amiko fankasitrahana toy izany?
38 Aoka aho mpanomponao hody ihany ary aoka aho ho faty ao an-tananako eo anilan'ny fasan'ny raiko sy ny reniko. Fa indro i Kimihama zanako lahy; aoka izy no hiaraka aminao ry andriamanjaka, ary hanaovanao izay sitrakao.
39 Dia hoy ny mpanjaka: Aoka ary hiaraka amiko i Kimihama, ka hanaovako izay sitrakao; ary ny zavatra rehetra hangatahinao amiko, dia hataoko ho anao.
40 Nita an'i Jordana ny vahoaka rehetra, rehefa tafita ny mpanjaka; dia norohan'i Davida sy notsofiny rano i Barzilay, vao lasa nody any amin'ny fonenany.
41 Nandroso nankany Gilgala kosa ny mpanjaka, ary niarahan'i Kimihama. Nanara-dia ny mpanjaka ny Jodeanina rehetra sy ny antsasak'ireo Israelita avaratra.
42 Ary indreo nankeo amin'ny mpanjaka avokoa ny lehilahy israelita, ka nanao taminy hoe: Nahoana ireo lehilahy jodeanina rahalahinay no naka an-keriny anao, ry Davida mpanjaka, mba hitondra ny tenanao sy ny fianakavianao hiampita an'i Jordana, nefa dia tafaraka taminao ny miaramilanao rehetra.
43 Namaly ny lehilahy israelita kosa ny lehilahy jodeanina rehetra ka nanao hoe: Satria havana akaiky aminay ny mpanjaka! Koa ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Mba nihinan-javatra avy tamin'ny mpanjaka va izahay? Na mba nanome zavatra anay akory va izy?
44 Fa hoy indray ny lehilahy israelita tamin'ireo lehilahy jodeanina: Impolo heny amin'ny anareo ny zonay amin'ny mpanjaka; eny, manana anjara mihoatra noho ianareo amin'i Davida izahay. Koa nahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny voalohany hamerina ny mpanjakanay! Fa lozaloza kokoa noho ny tenin'ireo israelita ny an'ireo lehilahy jodeanina.