2 Samoela

Toko faha-7

1 Rehefa tafapetraka tao an-dapany ny mpanjaka ary nampiadanin'ny TOMPO tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra,

2 dia hoy izy tamin'i Natana mpaminany: Jereo ange aho fa mipetraka amin'ny lapa vita hazo sedera, kanefa ny Vatamasin'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty tranolay.

3 Dia hoy i Natana namaly ny mpanjaka: Andeha tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao ny TOMPO.

4 Tamin'ny alina iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'ny TOMPO nanao hoe:

5 Ndeha lazao amin'i Davida mpanompoko izao hafatro izao: ?Tsy ianao no hanao trano hitoerako.

6 Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny andro nampiarako ny Israelita avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa tao anaty lay sy tao anaty fonena-masina Aho no mifindrafindra toerana.

7 Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Israelita, dia nanendry olona Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny ireo voatendriko ireo na dia iray aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sederay?

8 Koa lazao amin'i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn'izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijana mba ho filohan'i Israely vahoakako.

9 Niaraka taminao Aho teo amin'izay nalehanao rehetra, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao, ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an'ireo olona ambony eto an-tany.

10 Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin'izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha,

11 dia tamin'ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao.

12 Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin'ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany.

13 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary haoriko mafy mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakany.

14 Izaho ho rainy ary izy ho zanako. Raha manao ratsy izy, dia hofaiziko araka ny fomban'ny olona sy amin'ny loza mahavoa ny olombelona.

15 Kanefa tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly izay nasoloako anao.

16 Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.'

17 Nambaran'i Natana tamin'i Davida avokoa izay rehetra nolazain'Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.

18 Ary nankeo anatrehan'ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mba iza moa aho ary mba inona ny fianakaviako, no tonganao amin'ny toerana misy ahy izao?

19 Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin'ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban'olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY oy

20 Koa inona indray no mbola holazaiko aminao? Fa Ianao, ry Tompo ANDRIAMANITRA o, mahalala ahy mpanomponao.

21 Noho ny fampanantenanao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy.

22 Lehibe Ianao amin'izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY o: fa tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.

23 Moa misy eto an-tany firenena tahaka an'i Israely vahoakanao? Dia ilay firenena navotanao ho afaka tamin'ireo Ejiptianina sy ireo andriamaniny mba ho tonga vahoakanao ka nomenao laza tamin'ny nanatanterahanao izao asa lehibe izao ho azy ary zava-mahatahotra ho an'ny taninao.

24 Nampiorina mafy an'i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO o, sady efa tonga Andriamaniny.

25 Ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia tano mandrakizay ary ataovy araka izay efa nampanantenainao.

26 Halaza mandrakizay anie ny anaranao ka hatao hoe: Ny TOMPOn'izao rehetra izao no Andriamanitr'i Israely. Ary ho mafy orina eo anatrehanao ny taranako.

27 Satria Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, efa nanambara tamiko fa hanome taranaka ho ahy; koa izany no nahasahiako hivavaka aminao izao.

28 Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, ianao mihitsy no Andriamanitra; azo antoka ny teninao, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.

29 Koa ho sitrakao anie ankehitriny ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao. Satria Ianao, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, no efa nampanantena, ka ny fitahianao no hitahianao mandrakizay ny taranako, fa mpanomponao aho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0592