2 Samoela
Toko faha-11
1 Ny taona manaraka, rehefa tonga ny fotoana fandehanan'ny mpanjaka hiady, dia naniraka an'i Joaba sy ny manamboninahiny ary ny tafika israelita manontolo i Davida mba handringana ny Hamonita sy hanao fahirano an'i Raba. I Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.2 Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon'ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.
3 Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: I Baty-Seba, zanakavavin'i Eliama ary vadin'i Oria ilay Hetita io!
4 Nampanalain'i Davida izy, ka tonga tao aminy, dia niraisany, ary nody tany an-tranony indray. Vao avy nanadio ny tenany noho ny fadimbolana ravehivavy tamin'izay.
5 Bevohoka anefa ravehivavy ka naniraka olona hilaza amin'i Davida hoe: Manana anaka aho.
6 Nanafatra haingana an'i Joaba i Davida hoe: Alefaso aty amiko i Oria ilay Hetita. Dia nalefan'i Joaba nankany amin'i Davida i Oria.
7 Rehefa tonga teo amin'i Davida izy, dia nanontanian'i Davida izay vaovao momba an'i Joaba sy ny miaramila ary ny fizotry ny ady.
8 Dia hoy i Davida tamin'i Oria: Mandehana mody ary maka aina kely. Nandao ny lapan'ny mpanjaka i Oria narahina fanomezana avy taminy.
9 Kanefa nandry teo am-bavahadin'ny lapam-panjakana niaraka tamin'ny mpiambina ny mpanjaka i Oria, fa tsy nandeha nody tany an-tranony.
10 Rehefa nambara tamin'i Davida fa tsy nody tany aminy akory i Oria, dia nilazany hoe: Tsy avy lavitra ve ianao? Koa nahoana no tsy nody tany an-tranonao ianao?
11 Fa hoy i Oria tamin'i Davida: Ny Vatamasina ary koa ny tafik'i Israely sy i Joda dia mitoetra an-day; i Joaba filohan-tafika sy ireo manamboninahiny dia mitoby any an-tsaha, koa izaho kosa ve hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin'ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, dia mianiana aminao aho fa tsy hanao izany.
12 Ary hoy i Davida tamin'i Oria: Mijanona ihany ary aty anio. Fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nijanona tao Jerosalema hatramin'ny ampitson'iny i Oria.
13 Nanasa azy i Davida mba hihinana sy hisotro teo amin'ny latabany, ka dia nomamoiny; kanefa nony hariva ny andro, dia lasa nandry teo anilan'ireo mpiambina ny mpanjaka ihany izy fa tsy nandeha nody tany aminy.
14 Ny ampitso maraina, dia nanoratra taratasy ho an'i Joaba i Davida, ka nampitondrainy an'i Oria izany.
15 Izao no voalazany tao amin'ilay taratasy: Apetraho amin'ny voalohan-daharana i Oria, dia amin'izay toerana mahamafy indrindra ny ady, dia mihemora aoriany ianareo mba hamelezam-pahavalo azy ho faty.
16 Rehefa nanara-maso ny fahiranon'ny tanana i Joaba, dia nametraka an'i Oria tamin'ny toerana izay fantany fa nisy ny fahavalo mahery fo.
17 Nivoaka ny tanana voafahirano ny miaramila tao ka nanafika an'i Joaba. Nisy tamin'ny tafik'i Davida sy ireo manamboninahiny no tavela; ary maty koa i Oria ilay Hetita.
18 Dia nandefa tatitra tany amin'i Davida momba ny fizotry ny ady i Joaba,
19 ka nanome baiko ilay iraka hoe: Rehefa voatantaranao an-tsipiriany amin'ny mpanjaka ny fizotry ny ady,
20 dia mety ho tezitra ny mpanjaka ka hiteny aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanana ianareo raha niady? Tsy fantatrareo ve fa hisy hitifitra anareo avy eny amin'ny manda?
21 Fa iza no namely an'i Abimeleka zanakalahin'i Jerobahala, tao Tebetsy? Moa tsy vehivavy anankiray no nanjera vato fikoseham-bary taminy avy teny ambony manda ka nahafaty azy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? Raha izany no tenin'ny mpanjaka, dia valio hoe: Maty koa i Oria, ilay Hetita manamboninahitra.
22 Dia lasa ilay iraka, ka tonga nanambara tamin'i Davida ny tatitra nampitondrain'i Joaba azy
23 ary niteny taminy hoe: Nahery noho izahay ireo fahavalo sady nivoaka ny tanana hiady taminay teny an-tanety; kanefa dia voatosikay hatreo am-bavahady ihany izy.
24 Saingy nisy namely anay ny mpitifitra zana-tsipika avy teny amin'ny manda; ka izay no nahafaty ny manamboninahitrao sasany, ary anisan'ireo i Oria ilay Hetita.
25 Dia hoy i Davida tamin'ilay iraka: Lazao amin'i Joaba hoe: Aza malahelo amin'izany ianao, fa na ny an-kilany na ny an-daniny dia mety misy maty an'ady. Hamafiso hatrany ny fanafihanao ny tanana ka ravao izy. Izany no hampaherezanao an'i Joaba.
26 Rehefa fantatry ny vadin'i Oria fa maty ny vadiny, dia nitomany azy izy.
27 Nony afa-tsaona izy, dia nampiantsoin'i Davida hankany aminy, ka nalainy ho vady ary niteraka zazalahy taminy.