2 Samoela
Toko faha-22
1 Dia nanao izao tononkira izao ho an'ny TOMPO i Davida tamin'ny andro izay nanafahany azy tamin'ireo fahavalony rehetra, indrindra tamin'i Saoly.2 Ka hoy izy hoe: Ny TOMPO no harambato fierena azo antoka ho ahy.
3 Izy no Andriamanitro sy vatolampy ialofako, ampinga fiarovana sy herim-pandresena ho ahy. Sady toeram-pamaharana fandosirako Izy, no mpamonjy mahafaka ahy amin'ny fampahoriana.
4 Hoderaina anie ny TOMPO! Fa niantso Azy aho, dia voavonjy ho afaka amin'ny fahavaloko.
5 Toy ny onja manototra ahy ny fahafatesana sady nampitahotra ahy toa riaka mandrava;
6 toy ny fatotra ahodidina ahy ny toeran'ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.
7 Tao an-katerena aho no velon-taraina sy niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitro, ka tany an-Tempoliny Izy no nandre ny feoko ary koa nihaino izany antsoantsoko.
8 Tamin'izay dia nihovitrovitra mafy ny tany; nikorosy ny fiorenan'ny lanitra, ka nihozongozona ireny fa tezitra ny TOMPO.
9 Nisy setroka nidonaka avy teo an'orony ary afo mandevona avy teo am-bavany, ka narahina tselatra mandoro izany.
10 Dia nandetsy ny lanitra ny TOMPO ka nidina; rahona matevina no teo ambany tongony,
11 ka toy ny kerobima nitaingenany izany; dia nanidina sy nisosa Izy ka teo amin'ny elatry ny rivotra no niseho.
12 Tao anaty raho-mainty Izy no niery ka voahodidina rahona miavosa izay vesaran'ny rano mamonto azy.
13 Manoloana Azy nisy hazavam-be izay niteraka afo mitselatra.
14 Tany an-danitra ny TOMPO Avo Indrindra no nampitalakotroka ny varatra sy nampanakoako izany feony;
15 nalefany ny tselatra ka nipariaka toy ny zana-tsipika nifanaretsaka.
16 Noho ny fandrahonan'ny TOMPO mbamin'ny fifofofofon'ny hatezerany, dia niseho ny fanambanin'ny ranomasimbe, niharihary ny fanorenan'izao tontolo izao.
17 Avy eny an-danitra ambony Izy no naninji-tanana handray ahy sy nisintona ahy hiala tamin-dranobe;
18 ka afaka aho tamin'ny fahavaloko matanjaka, dia tamin'ireo mpandrafy mahery noho izaho.
19 Tamin'ny androm-pahoriako no nanafika ahy ireo nefa tonga ny TOMPO ka nanohana ahy;
20 navoakany ho eo an-kalalahana aho ary nafahany satria tena tiany.
21 Soa no ataon'ny TOMPO ahy satria marina aho; izany no avaliny ahy satria madio ny toetrako,
22 fa voatandriko ny sori-dalan'ny TOMPO ary tsy ivadihako ilay Andriamanitro;
23 ankatoaviko avokoa ny fitsipiny ary tsy mba ialako ireo didiny.
24 koa tsy manan-tsiny aho aminy fa nitandrin-tena tsy ho diso.
25 Eny, soa tokoa no navalin'ny TOMPO ahy satria marina aho sy hitany madio toetra.
26 TOMPO o, mahatoky Ianao amin'izay matoky Anao; tsy manan-tsiny koa Ianao amin'izay tsy manan-tsiny;
27 madio Ianao amin'izay madio, miolakolaka kosa amin'izay mpiolikolika.
28 Ianao mihitsy no mamonjy ny vahoaka ory, fa mampitanondrika an'ireo mpiavonavona.
29 TOMPO o, jiro mirehitra ho ahy Ianao; eny, TOMPO o, Ianao no manazava izany haiziko.
30 Noho Ianao Andriamanitro, na hady aza itsambikinako, na manda aza ihoarako.
31 Lavorary ny sori-dalan'Andriamanitra, azo antoka ny torohevitry ny TOMPO; toy ny ampinga fiarovana Izy ho an'izay rehetra mialoka aminy.
32 Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy ny TOMPO ihany? Ary iza no vatolampy ho anay afa-tsy ilay Andriamanitray?
33 Izy no mpiaro mahery ho ahy sy mampizotra ahy lalana lavorary;
34 Ataony kinga toy ny gazela aho ary ajorony amin'ny toerana avo;
35 Izy no manofana ahy ho amin'ny ady ka ahaizako manenjana tsipika varahina.
36 Ny ampingam-pandresenao no atolotrao ahy, Tompo o; mamaly ny antsoko Ianao ary koa manandratra ahy.
37 Ataonao faingam-pandeha kokoa aho, nefa ny hato-tongotro tsy hangozohozo.
38 Manenji-pahavalo aho ka mandripaka azy, ary tsy miverina raha tsy efa ringako izy.
39 Ringaniko sy montsaniko ireo ka tsy hiarina intsony ary dia mitsitra ambany tongotro.
40 Omenao hery hoenti-miady manko aho, ka adabokao ho ambaniko ny mpamely ahy.
41 Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.
42 Miherikerika mitady vonjy izy, kanefa tsy misy mamonjy; ny TOMPO no antsoiny fa tsy mamaly azy.
43 Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny; hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.
44 Afahanao amin'ny vahoaka mpikomy aho ary arovanao ho filohan'ireo firenena; ka olona tsy fantatro akory no indro manjary manompo ahy.
45 Vahiny no tonga mila sitraka amiko; teny kely no ataoko, dia ekeny aho.
46 Mikoy ry zareo ka mangovitra no miala ny manda fiarovany.
47 Velona ny TOMPO! Isaorana ilay Vatolampiko. Hasandratra anie Andriamanitra vatolampy mampandresy ahy.
48 Izy no manao ny famaliana ho ahy ary mampanaiky firenena hofeheziko.
49 TOMPO o, afahanao amin'ny fahavaloko aho; eny, ataonao resiko ireo mpamely ahy ary tsy mahazo ahy ny mpanao an-keriny.
50 Koa eo anivom-pirenena no hiderako Anao sady hankalazako Anao amin-kira.