2 Samoela

Toko faha-4

1 Rehefa ren'i Isboseta zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona i Abinera, dia niraviravy tanana izy, ary ketraka ny Israelita rehetra.

2 Ity zanakalahin'i Saoly ity dia nanana lehiben'andia-miaramila; ka ny roalahy tamin'ireo lehibe ireo, dia i Bahana sy i Rekaba samy zanakalahin'i Rimona avy any Beerota sady Benjaminita; satria natao ho isan'i Benjamina koa i Beerota,

3 hatramin'ny nandosiran'ny mponiny nankany Gitaima izay mbola onenan'ny taranany mandraka androany.

4 I Jonatana zanakalahin'i Saoly koa dia nanan-janakalahy izay nalemy ny tongony roa. Dimy taona izy raha tonga tany Jizrehela ny vaovao momba ny nahafatesan'i Saoly sy i Jonatana. Nentin'ny mpitaiza azy nitsoaka izy; kanjo noho ny fahamaikana dia nianjera teny am-pandosirana ilay zaza, ka tonga nalemy ny tongony. Mefiboseta no anarany.

5 Nankany an-tranon'i Isboseta i Rekaba sy i Bahana zanakalahin'i Rimona avy any Beerota, ary tonga tany tokony ho tamin'ny mitataovovonana, dia ilay mafana be iny indrindra. Teo am-pialan-tsasatra i Isboseta tamin'izay.

6 Dia niditra tao an-trano toy ny mpaka vary i Rekaba sy i Bahana rahalahiny; koa rehefa hitany i Isboseta fa nandry teo am-parafara tao an'efitra fatoriany, dia notrobarany ny kibony. Rehefa matin'izy roalahy izy, dia notapahiny ny lohany ary nentiny nandositra; ka nandritra ny alina no nandehanany namaky ny lemak'i Araba.

8 Nahatonga ny lohan'i Isboseta teo amin'i Davida tao Hebrona izy mirahalahy ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Indro tompoko ny lohan'i Isboseta zanakalahin'i Saoly fahavalonao izay nitady hahafaty anao. Fa ny TOMPO androany no namaly faty anao ny amin'ny nataon'i Saoly sy ny taranany.

9 Fa hoy i Davida namaly an'i Rekaba sy i Bahana mirahalahy, samy zanak'i Rimona avy any Beerota: Velona ny TOMPO Izay nanafaka ahy tamin'ny loza rehetra,

10 ka izao no hizingiziniko: Ilay nanambara tamiko ny nahafatesan'i Saoly, ka nihevitra ny tenany ho mpitondra vaovao mahafaly, dia efa nosamboriko ary novonoiko ho faty tao Tsiklaga. Izany no nasetriko azy tamin'ny vaovao mahafaly nentiny.

11 Koa mainka fa misy olon-dratsy namono nahafaty lehilahy tsy nanan-tsiny tao an-tranony sady teo am-parafarany. Tsy maintsy saziko ianareo izao noho ny namonoanareo an'i Isboseta ho faty; ka hofongorako tsy ho amin'ity tany ity intsony ianareo.

12 Ary nomen'i Davida baiko ireo zatovony ka namono nahafaty an'i Rekaba sy i Bahana. Avy eo dia notapahiny ny tanany sy ny tongony, ary nahantony teo akaikin'ny dobo tao Hebrona. Fa ny lohan'i Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao amin'ny fasan'i Abinera tao Hebrona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652