2 Samoela
Toko faha-21
1 Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin'ny andron'i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: Avy amin'i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehonita.2 Nampiantso ny Gibehonita ny mpanjaka mba hiresahany. Ny Gibehonita moa tsy mba isan'ny Israelita, fa sisa tsy maty tamin'ny Amorita. Efa nianiana taminy manko ny Israelita fa tsy haninona azy; nefa i Saoly, noho ny fitiavany an'i Israely sy i Joda, dia nitady hamongotra azy.
3 Ka hoy i Davida tamin'ny Gibehonita: Inona no hataoko ho anareo! Ahoana no hanonerako ny ratsy izay nihatra taminareo, mba hitsofanareo rano ny vahoakan'ny TOMPO?
4 Dia hoy ny Gibehonita taminy: Tsy vitana volafotsy na volamena, na koa fahafatesan'ny Israelita iray ny adinay amin'i Saoly sy ny fianakaviany. Ka hoy i Davida: Koa lazao ary izay tianareo hataoko, fa hotanterahiko.
5 Dia hoy ireo tamin'ny mpanjaka: I Saoly no nikasa handripaka anay sy hamongotra anay tsy hisy tavela eo amin'ny tanin'i Israely manontolo;
6 ka avelao hisy fito lahy amin'ny taranany hatolotra anay mba hahantonay eo anatrehan'ny TOMPO ao Gibeha tananan'i Saoly ilay mpanjaka voafidin'ny TOMPO. Ka hoy ny mpanjaka: Hatolotro ireo.
7 Notsimbinin'ny mpanjaka manokana i Mefiboseta, zanakalahin'i Jonatana sady zafikelin'i Saoly, noho ny fianianana nataon'i Davida sy i Jonatana tamin'ny anaran'ny TOMPO.
8 Fa nalain'ny mpanjaka i Armony sy i Mefiboseta zanakalahin'i Ritsepa izay zanakavavin'i Aia, ka izy roa lahy ireo dia naterany tamin'i Saoly; ary nalainy koa izy dimy lahy zanak'i Mikala izay zanakavavin'i Saoly, ka ireo dia naterany tamin'i Adriela zanakalahin'i Barzilay avy any Mehola.
9 Natolotr'i Davida teo an-tanan'ny Gibehonita izy fito lahy ka nahanton'ireo teo an-kavoana iray teo anatrehan'ny TOMPO. Niara-maty avokoa izy fito lahy, satria samy novonoina ho faty tamin'ny fiandohan'ny vaninandro fijinjana orza.
10 Naka ny lamba gony fisaonana i Ritsepa zanakavavin'i Aia, ka novelariny teo ambony vatolampy; dia nitoetra teo izy nanomboka tamin'ny fiandoham-pijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra tamin'ireo faty ireo. Tsy navelany hipetrahan'ny voromanidina teo aminy tamin'ny antoandro; ny bibidia kosa no tsy navelany hankeo tamin'ny alina.
11 Nisy nanambara tamin'i Davida izay nataon'i Ritsepa zanakavavin'i Aia sady vaditsindranon'i Saoly.
12 Koa dia nalain'i Davida ny taolambalon'i Saoly sy i Jonatana zanany tamin'ny mponin'i Jabesa any Gilehada; ireo manko no nangalatra azy tao an-kianjan'i Bety-Seana, toerana nanantonan'ny Filistinina azy tamin'ny andro namonoan'ny Filistinina an'i Saoly tao Gilboa.
13 Dia nentin'i Davida avy tany ny taolambalon'i Saoly sy i Jonatana zanany, ary nangoniny koa ny taolan'ireto fito lahy voahantona.
14 Nalevin'ny olona tany amin'ny tanin'i Benjamina, tao Tsela, tao amin'ny fasan'i Kisy rain'i Saoly ireo taolambalo rehetra ireo; ary vitany avokoa izay nandidian'ny mpanjaka. Rehefa izany, vao nanambina ny tany Andriamanitra.
15 Nipoaka indray ny ady teo amin'ny Filistinina sy ny Israelita. Dia nidina nanafika ny Filistinina i Davida sy ireo miaramila niaraka taminy; ary nahatsiaro reraka i Davida.
16 Koa nihevitra ny hahafaty an'i Davida i Jisby-Benoba isan'ny taranak'i Harafa, izay nanana lohan-defona halimo milanja telo kilao mahery sy fiadiana vaovao.
17 Fa tonga nanampy azy i Abisay zanakalahin'i Tseroia ka namely ary nahafaty an'ilay Filistinina. Tamin'izay ireo olon'i Davida dia nianiana taminy hoe: Tsy hiara-miainga aminay intsony ianao ho amin'ny ady, mba tsy hamono anao ho faty ny fahazavan'i Israely.
18 Rehefa izany dia mbola nisy ady indray tamin'ny Filistinina tao Goba; tamin'izay i Sibekay avy any Hosa no namono ho faty an'i Safa isan'ny taranak'i Harafa.
19 Mbola nisy ady hafa tao Goba, ary tamin'izay i Elehanana zanakalahin'i Jahiry-Oregima sady avy any Betlehema, no namono ho faty an'i Goliata avy any Gata, izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon'ny mpanenona.
20 Dia mbola nisy ady koa tany Gata; ary tao dia nisy olona raindahiny nanana rantsan-tanana enina sy rantsan-tongotra enina, izany hoe efatra amby roapolo no fitambarany. Ilehio koa dia taranak'i Harafa.
21 Nihaika ny Israelita izy ka matin'i Jonatana zanakalahin'i Simeha izay rahalahin'i Davida.
22 Ireo miaramila filistinina efa-dahy ireo, izay samy taranak'i Harafa sady tao Gata, dia lavo noho ny famelezan'i Davida sy ny miaramilany azy.