2 Samoela

Toko faha-10

1 Taorian'izany, dia maty ny mpanjakan'ny Hamonita, ka i Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ary hoy i Davida anakampony: Hanao soa amin'i Hanona zanakalahin'i Nahasy aho, tahaka izay nataon-drainy tamiko. Dia naniraka minisitra i Davida mba hitsapa alahelo an'i Hanona noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin'ny tanin'ny Hamonita ireo minisitr'i Davida,

3 dia hoy kosa ireo andrianan'ny Hamonita tamin'i Hanona tompony: Ataonao ve fa ho fanomezan'i Davida voninahitra an-drainao ihany no anirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy hizaha ny tanana sy hitsikilo azy mba hahazoany mandrava azy no anirahan'i Davida minisitra hankaty aminao?

4 Dia nampisamborin'i Hanona ireo minisitr'i Davida, ka noharatana ny ila-volombavany sady notapahina manasa-pe ny akanjony, ary noroahina nody.

5 Nisy nampandre izany tamin'i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: Mijanona any Jerikao aloha mandra-panirin'ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.

6 Tsapan'i Hamonita fa tonga halan'i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehoba sy avy any Tsoba, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin'ny mpanjakan'i Maheka ary ny lehilahy antokony 12 avy any Toba.

7 Nony ren'i Davida izany, dia nirahiny ho any an-toerana i Joaba sy ny miaramila mahery fo rehetra izy.

8 Dia niainga ny Hamonita ka nilahatra hiady teo akaikin'ny vavahadin-drenivohiny, fa ny Sirianina avy any Tsoba sy avy any Rehoba mbamin'ny miaramila avy any Toba sy avy any Maheka kosa naka toerana teny an-tsaha.

9 Rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan'ny Sirianina.

10 Ny miaramila sisa kosa nankininy tamin'i Abisay rahalahiny ka nalahany teo anoloan'ny Hamonita.

11 Dia hoy i Joaba tamin'ity rahalahiny: Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha ny Hamonita kosa no mahery noho ianao, dia izaho no ho avy hamonjy anao.

12 Mahereza ianao, ary aoka isika hahery miady ho an'ny firenentsika sy ireo tananan'Andriamanitsika. Ary aoka ny TOMPO hanao izay heveriny ho tsara.

13 Nandroso hiady amin'ny Sirianina i Joaba sy ny tafiny ka vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo.

14 Rehefa hitan'ny Hamonita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anoloan'i Abisay koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanana. Ary nitsahatra nanafika ny Hamonita i Joaba ka niverina ho any Jerosalema.

15 Fa rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia nivory nitambatra.

16 Naniraka olona i Hadadehezera mba hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan'ny ony Eofrata. Dia tonga tao Helama ireo; ary i Sobaka filohan'ny tafik'i Hadadehezera no nitarika azy.

17 Nambara tamin'i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an'i Jordana ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan'i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy.

18 Vaky nandositra teo anoloan'ny Israelita ireo Sirianina, ka nahafatesan-dry i Davida olona tao an-kalesy fitonjato sy mpitaingin-tsoavaly 40 000. Naratrany koa i Sobaka filohan-tafika, ka maty teo.

19 Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan'ny Israelita ireo mpanjaka rehetra mpanoa an'i Hadadehezera, dia nandrindra fihavanana tamin'i Israelita ka nanoa azy. Ary tsy sahy namonjy ny Hamonita intsony ny Sirianina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0659