2 Samoela

Toko faha-9

1 Hoy i Davida indray andro: Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly? Mba tiako ny hanisy soa azy noho ny amin'i Jonatana.

2 Fa nanana mpanompo iray nantsoina hoe Tsiba ny fianakavian'i Saoly; ary nampanantsoina hankeo amin'i Davida izy, ka nanontanian'ity mpanjaka hoe: Ianao va no Tsiba? Ary hoy izy namaly: Izaho, tompoko, no izy.

3 Dia nanontany indray ny mpanjaka hoe: Mbola misy olona sisa velona ve amin'ny fianakavian'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Ka novalian'i Tsiba hoe: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray izay, nefa malemy tongotra izy.

4 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aiza izy? Dia hoy i Tsiba namaly ny mpanjaka: Ao an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lo-Debara izy.

5 Ary naniraka olona haka azy any an-tranon'i Makira zanakalahin'i Hamiela ao Lo-Debara i Davida mpanjaka.

6 Rehefa tonga teo amin'i Davida i Mefiboseta zanakalahin'i Jonatana sady zafikelin'i Saoly, dia niankohoka tamin'ny tany ho fanajana azy. Ary hoy i Davida taminy: Mefiboseta! Ka novaliany hoe: Inty aho, tompoko.

7 Dia hoy indray i Davida taminy: Aza matahotra fa te hanisy soa anao noho ny amin'i Jonatana rainao aho, ka hamerina aminao ny tany rehetra izay an'i Saoly raibenao; ary ianao dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro.

8 Dia niankohoka izy sady namaly hoe: Zinona moa aho izay toa fatin'amboa ity no mba itodihanao, tompoko?

9 Nantsoin'ny mpanjaka i Tsiba mpanompon'i Saoly, ka nilazany hoe: Nomeko an'i Mefiboseta, zafikelin'ny tomponao avokoa izay rehetra nananan'i Saoly sy ny fianakaviany.

10 Koa ianao sy ireo zanakalahinao ary ireo mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra izay hiveloman'ny fianakaviany. Fa i Mefiboseta zafikelin'ny tomponao kosa dia hisakafo isan'andro eo amin'ny latabatro. Nanana zanakalahy 15 sy mpanompo 20 i Tsiba,

11 ka niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Tompoko, araka izay rehetra nandidianao mpanjaka no hataoko. Kanefa i Mefiboseta dia hisakafo eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ireo zanakalahin'i Saoly mpanjaka.

12 Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mika i Mefiboseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon'i Tsiba dia nanompo an'i Mefiboseta avokoa.

13 Fa na dia nalemy aza ny tongony roa, dia nonina tany Jerosalema i Mefiboseta satria nisakafo isan'andro teo amin'ny latabatry ny mpanjaka izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628