Estera Grika

Toko A Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Artarkserksesa amperôra, nony andro voalohan'ny volana Nisàna, dia nanonofy i Môrdôkay, zanakalahin'i Jahîra izay taranak'i Simehỳ sy i Kisy, sady avy amin'ny fokon'i Benjamîna.
Toko 1 Ireo zavatra ireo dia nitranga tamin'ny andron'ny amperôra Artakserksesa. Io Artakserksesa io no nanjaka tamina faritany 127 izay any India no anombohany.
Toko 2 Tatỳ aorian'izany, dia nionona ny fahatezeran'ny amperôra. Kanefa tsy niraharaha an'i Astîna intsony ny amperôra izay nitadidy ny teny nataony sy ny fanamelohana efa tinapany momba azy.
Toko 3 Tatỳ aorian'izany, dia nomen'ny amperôra Artakserksesa laharana ambony i Hamàna, ilay atao hoe Bogeo sady zanakalahin'i Hamadatà, ka nasandrany hipetraka amin'ny toerana voalohan'ireo samy «sakaizan'ny amperôra».
Toko B Izao no kopian'io taratasy io:
«Izaho Artakserksesa, andriamanjaka lehibe, no manoratra aminareo governora sy mpiasam-panjakana lefitra any amin'ny faritany 127 manomboka any India ka miafara any Etiôpia, ary mampita izao manaraka izao:
Toko 4 Nony fantatr'i Môrdôkay ny zava-nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona; ary nidodododo nitety ny kianjan'ny tanàna izy sy nihorakoraka mafy hoe: «Tiana hofoanana ny firenena anankiray tsy nahavita ratsy!»
Toko C Ary nahatsiaro ny asa rehetra nataon'ny Tompo i Môrdôkay ka nivavaka taminy
Toko D Telo andro taorian'izany, dia natsahatr'i Estera ny fivavahany. Nesoriny ny fitafiam-pivalozana fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany.
Toko 5 Ary hoy ny amperôra taminy:
-Inona no irinao, ry Estera? Inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakako aza, dia ho azonao izany.
Toko 6 Tamin'iny alina iny dia nataon'ny Tompo tsy nahita tory ny amperôra. Ka nasainy halain'ny mpitantsorany ny boky milohateny hoe Firaketana ny tantaram-panjakana mba hovakîna aminy.
Toko 7 Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin'ny mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana fanindroany.
Toko 8 Androtr'io ihany dia nomen'ny amperôra Artakserksesa ho an'i Estera ireo zavatra rehetra nananan'i Hamàna ilay mpiampanga. I Môrdôkay koa, rehefa nampahafantarin'i Estera fa mpihavana aminy izy, dia nantsoin'ny amperôra.
Toko E Ity rijan-teny ity no kopian'izany taratasy izany:
«Izaho Artakserksesa, amperôra lehibe, dia miarahaba ireo solotenako mitondra ny faritany 127 hatreo India ka hatrany Etiôpia ary koa miarahaba ireo vahoakako mpanoa ahy.
Toko 9 Ny andro faha-13 tamin'ny volana faha-12 na hoe volana Adara manko dia nihatra ny taratasy nosoratan'ny amperôra.
Toko 10 Ny amperôra Artakserksesa dia nanoratra ny lalàna ho an'ny fanjakàny na faritra an'atitany izany na faritra amoron-tsiraka.
Toko F Ary hoy i Môrdôkay hoe: «Andriamanitra no nahatonga ireo zava-nitranga ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0364