Estera Grika
Toko faha-D
1 Telo andro taorian'izany, dia natsahatr'i Estera ny fivavahany. Nesoriny ny fitafiam-pivalozana fa ny fihaingoam-piandrianany no niakanjoany. 2 Tao amin'izany famirapiratany mirentirenty izany no niantsoany indray an'ilay Andriamanitra mpiahy ny olona rehetra sy mpamonjy azy; dia nentiny hiaraka aminy avy eo ny mpanompovavy anankiroa anisan'ireo mpanotrona azy. 3 Niankina moramora tamin'ny anankiray i Estera; 4 fa ny iray hafa nanaraka avy ato aoriana sady nanainga ny akanjolavan'ity mpanjakavavy. 5 Somary nivolo mena ny tavan'i Estera ka fatratra erỳ ny bikany; miramirana sy mahatehotia ny endriny, fa ny fony kosa voagejan'ny tahotra.
6
Rehefa tafita ny vavahady rehetra tao an-dapa i Estera, dia niseho teo anatrehan'ny amperôra. I Artakserksesa izany mipetraka teo amin'ny sezafiandrianany, nitafy ny fanamiana rehetra maha-andriamanjaka azy sy rakotra volamena amam-batosoa; nahatahotra ny toetr'endriny.
7
Natrakany ny tarehiny mitara-pamirapiratana; saingy fijery nirehi-pahatezerana no natopiny, ka nivembena nila ho torana sady nivaloarika ny mpanjakavavy ary nirona tamin'ny sorok'ilay mpanompovavy nandeha teo anoloany.
8
Fa novan'Andriamanitra ho halemem-panahy ny hatezeran'ny amperôra; velona ahiahy izy, dia niantoraka avy amin'ny sezafiandrianany, nanohana an'i Estera tamin'ny sandriny mandra-pahatsiarony tena, ary nampahery aza tamin'ny teny fampitoniana sady nanontany azy hoe:
9
«Fa maninona ianao, ry Estera? Vonon-kiaro anao aho, ka matokia.
10
Tsy ho faty ianao, fa ho an'ny sarambabem-bahoaka ny fandrarana hanatona ahy.
11
Avia ho etsy anilako.»
12
Dia naingain'ny amperôra ny tehim-bolamena ary natehiny teo amin'ny vozon'i Estera; avy eo dia nanoroka ny mpanjakavavy izy sady nanao hoe:
-Lazao ahy ny anton-dianao.
13
Ka novaliany hoe:
-Toy ny anjelin'Andriamanitra no nahitako anao, ry andriamanjaka ô, ka nitebiteby ny foko azon'ny tahotra ny famirapiratanao;
14
mendrika higagana ianao ary feno hatsaram-po ny endrikao.
15 Mbola miteny eo izy, dia nivembena nila ho torana indray, 16 ka nitebiteby ny amperôra, ary nampahery ny mpanjakavavy ireo mpanompony rehetra.