Estera Grika
Toko faha-B
14[1] Izao no kopian'io taratasy io:«Izaho Artakserksesa, andriamanjaka lehibe, no manoratra aminareo governora sy mpiasam-panjakana lefitra any amin'ny faritany 127 manomboka any India ka miafara any Etiôpia, ary mampita izao manaraka izao:
15[2] «Mifehy firenena marobe aho ary efa nampihatra ny fahefàko eran'ny tany tontolo; kanefa tsy hiavonavona hanjakazaka aho, fa te hampahazo fandriampahalemana ny vahoakako mandritra ny andro iainany. Iriko ny hahatonga ny fanjakàko mandroso sy milamina azo antoka mipaka any amin'ny sisintany ary ny hampirobona ny fiadanana izay mamin'ny olona rehetra.
16[3] «Ka dia nanontaniako ireo mpanolotsaina ahy ny fomba hanatrarana izany tanjona izany. Ny anankiray tamin'izy ireo dia i Hamàna izay maningana ara-pahendrena eto aminay. Mitana ny laharana faharoa izy amin'ny fanjakana ary nanaporofo hatrany fa mahafoy tena sady miraiki-po mafy amiko. 17[4] Io Hamàna io no nampahalala ahy fa misy vahoaka ratsy toetra izay tafaharo amin'ny firenen-kafa rehetra eto ambonin'ny tany; kanefa manan-dalàna manohitra ny didiko, hany ka misakana ny hisian'ny fitondrana iombonana tarihiko amim-pahitsiana sy amin'ny fomba tsy misy hokianina. 18[5] Tsapako fa izany vahoaka izany no hany manohitra lalandava ny olon-kafa sady miavaka aminy araka ny lalàna maningana arahiny; mitsivalana ny zavatra ataoko izy ary mahavanon-doza mahatsiravina ka manembantsembana ny filaminam-panjakàko. 19[6] Izany no nandidiako ny handringanana ireo rehetra voatondro ao amin'ny taratasin'i Hamàna izay filohan'ny raharaham-panjakana sy hajaina manarakaraka ahy ho rain'ny vahoaka. Fahavalontsika ireo ka haringan-tsabatra mbamin'ny vady aman-janany, tsy hasiana miangana ary tsy hananana antra na indrafo; amin'ity taona ity no hampiharana izany, dia ny andro faha-14 amin'ny volana faha-12 na hoe volana Adara. 20[7] Ho voavono ho faty amin'ny andro iray ihany sy hiara-midina any amin'ny toeran'ny maty ireo olona mpanohitra hatry ny taloha ka mandraka ankehitriny ireo; ary ho azo antoka hilamina sy hirindra feizay ny raharahantsika amin'ny hoavy.»