Estera Grika
Toko faha-C
18[1] Ary nahatsiaro ny asa rehetra nataon'ny Tompo i Môrdôkay ka nivavaka taminy 19[2] nanao hoe:«Tompo ô, Tompo ô, mpanjakan'izao rehetra izao Ianao ary eo ambany fahefànao ny tontolo. Tsy misy olona mahasakana anao, rehefa tianao hovonjena i Israely. 20[3] Ianao mihitsy manko no nanao ny lanitra sy ny tany mbamin'ny zava-mahagaga rehetra eto ambanin'ny lanitra. 21[4] Ianao no Tompon'izao rehetra izao; ary tsy misy olona mahatohitra Anao Tompo. 22[5] Mahalala ny zavatra rehetra Ianao, Tompo ô, ka mahafantatra fa tsy mba rehaka na avonavona na fitsiriritam-boninahitra no nanesika ahy tsy hiankohoka eo anoloan'i Hamàna mpiavonavona. 23[6] Vonon-kanoroka ny tongotr'io lehilahy io manko aho mba ho famonjena an'i Israely. 24[7] Fa ny tsy niankohofako teo anatrehany, dia ny mba tsy hanaovako ny voninahitr'olombelona ho ambonin'ny voninahitr'Andriamanitra; ka dia tsy hisy olona hiankohofako afa-tsy Ianao, Tompo ô, ary tsy mba fiavonavonana no hanaovako izany.
25[8] «Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitra sy Mpanjaka, Andriamanitr'i Abrahama, amindrao fo izahay vahoakanao fa kendren'ny fahavalonay hovonoina ho faty; ary fofoiny haringana izahay fanananao efa hatry ny faharazanay. 26[9] Aza atao tsinontsinona izahay voatokana ho fanananao, satria navotanao avy tany Ejipta. 27[10] Henoy ny fivavahako, hasoavy izahay voatendrinao ho zaranao, ovay ho fifaliana ny fisaonanay mba ho velona aina izahay ka hankalaza ny anaranao, Tompo ô. Ary aza avela ho levona ireo olona miloa-bava hidera Anao.»
28[11] Ny Israelita rehetra koa samy niantso vonjy tamin'ny Tompo araka izay tratry ny heriny, satria efa nananontanona azy ny fahafatesana.
29[12]
Ny mpanjakavavy Estera koa dia nahatsiaro tena ho efa eo am-bavalozan'ny fahafatesana, ka nitady fiarovana tamin'ny Tompo.
30[13]
Napetrany ny akanjony kanto indrindra; fitafiam-pahoriana amam-pisaonana no nanaovany; nohosenany vovoka aman-davenona ny lohany, ho solon'ny zava-manitra sarobidy fampiasany, nampijalîny mafy ny tenany, ary narakorakony ny volony hanaronany azy toy izay izy handravaka azy amin'ny haingo samihafa fifaliany.
31[14]
Ka ny Tompo Andriamanitr'i Israely no nanaovan'i Estera izao vavaka izao:
«Ry Tompo Andriamanitro ô, Ianao no Mpanjakanay, Ianao no hany Tompo. Mba vonjeo aho fa manirery ary tsy manan-kamonjy afa-tsy Ianao,
32[15]
satria hanao vy very ny aiko aho.
33[16]
Efa reko fahazaza, tao amin'ny foko nipoirako fa Ianao, Tompo ô, no nifidy an'i Israely tamin'ny firenena rehetra sy nifidy ny razanay tamin'ireo rehetra iray razana aminy mba ho fanananao mandrakizay, ary notanterahinao hanasoavana azy ny fampanantenanao rehetra.
34[17]
Saingy nanota teo anatrehanao izahay, ka natolotrao ho eo an-tanan'ny fahavalonay,
35[18]
noho izahay nivavaka tamin'ny andriamanitr'ireo. Mitandro ny rariny Ianao, Tompo ô.
36[19]
Kanefa ankehitriny dia tsy afa-pon'ny manandevo anay amin'ny fanompoana mangidy izy fa efa nianiana tamin'ireo sampiny
37[20]
fa hanafoana ny didy naloaky ny vavanao. Eny, tiany haringana ilay vahoaka fanananao, tiany hakombom-bava ireo mpidera Anao ary hofoanana ilay tempoly sy ilay alitara anomezam-boninahitra Anao.
38[21]
Izany no hampiloa-bava ireo hafa firenena hanindrahindra ny sampiny sy higaga mandrakizay ny amperôra izay nofo aman-dra manam-petra.
39[22] «Tompo ô, aza atolotrao an'ireo andriamani-tsiizy ireo ny fahefàm-panjakànao; aoka tsy hihomehezan'ny fahavalonay izahay amin'ny faharavànay, fa afotero aminy kosa ny hevitra nokasainy hafitsoka aminay ary faizo ho fananarana ny hafa ilay nitarika ny famelezana anay.
40[23] «Tompo ô, mba tsarovy izahay; ataovy manehoeho ny lazanao amin'izao androm-pahorianay izao. Omeo hery aho, ry ilay Mpanjakan'ireo andriamanitra sady Mpifehy ny manampahefana rehetra. 41[24] Asio teny sahaza eo am-bavako amin'ny hanatrehako an'i Artakserksesa ilay masiaka toy ny liona; ovay ny fony hankahala ny fahavalonay ka hampamono ho faty azy sy izay rehetra miray hevitra aminy. 42[25] Izahay kosa anie hafahan'ny herinao; ary mba ampio aho amin'izao tenako irery izao, ka tsy manana an'iza na iza afa-tsy Ianao, Tompo ô. Ianao mahalala ny zavatra rehetra 43[26] ka mahafantatra fa hàlako ny voninahitra atolotr'ireo mpandika ny lalànanao ary tsy tiako ny miara-mandry amina lehilahy mpanompo sampy sady tsy mpiray firenena amiko; 44[27] kanefa Ianao mahafantatra ny terivozona mihatra amiko. Hàlako ny marika maha-mpanjakavavy ahy, marika izay ataoko eo an-dohako amin'ny andro fisehoako ampahibemaso; tsy mitondra azy mihitsy aho amin'ny andro itokanako samirery, satria hàlako toy ny lamba maloto izany. 45[28] Izaho mpanompovavinao dia tsy mbola nihinana teo amin'ny latabatr'i Hamàna na oviana na oviana, ary tsy mbola nanome voninahitra ny fanasàn'ny amperôra na nisotro tamin'ny divay fanatitra amin'ny sampiny. 46[29] Hatrizay nitondrana ahy nanketo ka mandraka ankehitriny, tsy mba nisy fifaliana nankafiziko afa-tsy taminao ihany, ry Tompo Andriamanitr'i Abrahama. 47[30] Ry Andriamanitra mahery noho ny an'ny hafa firenena rehetra ô, mba henoy vavaka ireo tsy manan-kianteherana afa-tsy Ianao; afaho amin'ny fifehezan'ny olon-dratsy izahay; ary ny tenako esory amin'izao tebitebiko izao!»