Estera Grika

Toko faha-3

1 Tatỳ aorian'izany, dia nomen'ny amperôra Artakserksesa laharana ambony i Hamàna, ilay atao hoe Bogeo sady zanakalahin'i Hamadatà, ka nasandrany hipetraka amin'ny toerana voalohan'ireo samy «sakaizan'ny amperôra». 2 Ny tandapa rehetra dia niankohoka teo anatrehan'i Hamàna, satria izany no didin'ny amperôra; fa i Môrdôkay kosa tsy mba nety nanao izany. 3 Ka nanontanian'ireto tandapan'ny amperôra tamin'i Môrdôkay ny nahatonga azy tsy miraharaha izay voalazan'ny amperôra. 4 Na dia naverimberin'ireo tamin'i Môrdôkay isan'andro aza izany fanontaniana izany, dia tsy niraika izy fa nampahafantatra ny maha-Jiosy ny tenany.
Dia notaterin'ireo tandapa tamin'i Hamàna fa toherin'i Môrdôkay ny tenin'ny amperôra. 5 Nony fantatr'i Hamàna fa tsy mba nety niankohoka teo anatrehany tokoa i Môrdôkay, dia tezitra mafy izy, 6 ka nanapa-kevitra ny handringana ny Jiosy rehetra tao anatin'ny fanjakàn'i Artakserksesa. 7 Nanao didy izy tamin'ny taona faha- 12 nanjakàn'i Artakserksesa ary nifidy antsapaka ny andro sy ny volana mba handringanana anatin'ny indray andro monja ny olona iray karazana amin'i Môrdôkay. Ka ny andro faha- 14 amin'ny volana Adara no voatondron'ny antsapaka.

8 Ary hoy i Hamàna tamin'ny amperôra Artakserksesa: «Ry andriamanjaka, misy firenena iray efa miely eo anivon'ny firenen-kafa sady manerana ny fanjakanao; hafa lalàna mihitsy noho ny firenena isan-tokony ry zareo sady tsy miraharaha ny lalànanao. Tsy mahasoa anao ny mamela azy fotsiny amin'izao. 9 Koa raha sitrakao, dia aoka ianao hanome baiko ny amin'ny handringanana azy; izaho kosa dia hanoratra volafotsy telonjato taonina haiditro ao amin'ny tahirim-bolam-panjakana.» 10 Dia nesorin'ny amperôra teny an-tanany ny peratra tombokase ka napetrany teo an-tanan'i Hamàna mba hanasiany fitomboka ny taratasy fanoherana ny Jiosy. 11 Ary hoy izy tamin'i Hamàna: «Afoy ho anao ny volafotsy, ary ataovy izay sitrakao hatao amin'izany firenena izany.»

12 Tamin'ny volana voalohany, nony andro faha-13, dia nantsoina ireo mpitantsoratry ny amperôra. Araka izay nandidian'i Hamàna no nanoratany taratasy ho an'ny filohan-tafika sy ho an'ny governora isam-paritany ary ho an'ireo lehibe isam-pirenena; ho an'ny faritany 127 isanisany, manomboka any India ka miafara any Etiôpia, no nanoratana tamin'ny anaran'i Artakserksesa, araka ny fomba fiteniny avy.

13 Mpitondra hafatra no nalefa manerana ny fanjakàn'i Artakserksesa mba hampandringana ny taranaka jiosy ao anatin'ny indray andro amin'ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara, ary koa mba hampandroba ny fananany.

21[14] Ny kopian'ireny taratasy ireny dia navoaka hiely isam-paritany, ka nisy baiko nomena ny firenena rehetra mba hivonona ho amin'izany andro izany. 22[15] Nohafainganina ny fizotran'ny raharaha, indrindra tao Soza renivohitra. Dia nipetraka hisotro ny amperôra sy i Hamàna, fa very hevitra kosa i Soza iray tanàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689