Estera Grika
Toko faha-2
1 Tatỳ aorian'izany, dia nionona ny fahatezeran'ny amperôra. Kanefa tsy niraharaha an'i Astîna intsony ny amperôra izay nitadidy ny teny nataony sy ny fanamelohana efa tinapany momba azy. 2 Ka hoy ireo mpanolotsain'ny amperôra hoe: «Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny sady tsara tarehy! 3 Anendreo olona any amin'ny faritany isan-tokony eran'ny fanjakànao, dia aoka ireo no hifidy tovovavy virijiny sady tsara tarehy sy hitondra azy ao amin'ny tranom-behivavinao eto Soza. Ilay tandapa mpiandraikitra io tranom-behivavy io no hanankinana azy sy hanome azy ny fitaovana hikarakarany tena; 4 ka izay vehivavy sitrakao no ho mpanjakavavy solon'i Astîna.»Sitraky ny amperôra izany torohevitra izany ka dia narahiny. 5 Nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Môrdôkay tao amin'ny tanàna Soza; izy io dia lehilahy benjaminita zanak'i Jaîra, izay taranak'i Simehỳ sy i Kisy. 6 Voababo izy, ka ny fiaviany dia i Jerosalema izay nentin'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilôna ho an-tsesitany ny mponiny. 7 I Môrdôkay dia niahy ny zanakavavin'i Haminadaba rahalahin-drainy; i Estera no anaran-drazazavavy. Maty ray aman-dreny i Estera ka notezainy hataony vady. Tsara tarehy razazavavy.
8 Nony tafaely ny didin'ny amperôra, dia tovovavy maro no voavory tao amin'ny tanàna Soza ka niandraiketan'i Gay. I Estera koa dia nentina tao amin'i Gay, ilay mpitandrina ny vehivavy. 9 Nahazo sitraka tamin'i Gay Estera, satria nahafinaritra azy ny toetran-dazazavavy; nomeny faingana azy ny fitaovana hikarakarany tena sy ny anjara sakafony ary koa mpanompovavy fito izay voafantina manokana avy tao an-dapa. Tao amin'ny tranom-behivavy dia nataon'i Gay tsara fitondra i Estera sy ireo mpanompovaviny. 10 Tsy nolazain'i Estera na ny fireneny na ny tanindrazany, satria nofeperan'i Môrdôkay izy mba tsy hilaza izany. 11 I Môrdôkay kosa nitsangantsangana isan'andro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, ka nitsikilo izay zavatra hitranga amin'i Estera.
12 Rehefa nahavita herintaona tao amin'ny tranom-behivavy ny tovovavy tsirairay, vao tonga ny fotoanandro hankanesany any amin'ny amperôra. Io herintaona fiomanana io dia nizotra toy izao: enim-bolana notrorina menaka misy miora ny tovovavy, ary enim-bolana notrorina ilomanitra sy zavatra isan-karazany fampiasam-behivavy. 13 Avy eo dia nankany amin'ny amperôra ny tovovavy tsirairay. Nisy lehilahy nirahin'ny amperôra hanome lalana ilay tovovavy hoentina hatreo amin'ny tranom-behivavy hankany amin'ny efitranon'ny amperôra. 14 Ny hariva izy no mandeha any; ary ny ampitso maraina kosa lasa mankao amin'ilay trano faharoa fitoeram-behivavy izay i Gay, tandapan'ny amperôra, no mpitandrina azy. Tsy mba niverina tany amin'ny amperôra intsony ilay tovovavy, afa-tsy raha antsoin'ny amperôra ka tononiny anarana.
15 Indray andro i Estera, zanakavavin'i Haminadaba rahalahin-drain'i Môrdôkay, dia nahavita ny fotoam-piomanana mba hahazoana mankany amin'ny amperôra. Tsy nisy nolaviny ny torohevitra nataon'ilay tandapa mpitandrina ny vehivavy, ka nahazoan'i Estera sitraka avokoa izay rehetra nahita azy. 16 Nankany amin'ny amperôra i Estera tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artakserksesa, fony volana faharoa ambin'ny folo na volana Adara. 17 Notiavin'ny amperôra i Estera; ka tamin'ireo vehivavy rehetra ireo, dia izy no nahazo sitraka teo imasony sy nosatrohany ny satroboninahitr'i Astîna vadiny taloha. 18 Dia nanao fanasana ho an'ny sakaizany sy ho an'ny manampahefana rehetra i Artakserksesa nandritra ny herinandro sady nankalaza ny fanambadiany an'i Estera. Nisy hetra nofoanany ho an'ireo olona teo ambany fahefàny.
19 Tamin'izay i Môrdôkay dia nisahana andraikitra tao an-dapa. 20 I Estera kosa tsy nilaza ny firazanany, satria i Môrdôkay efa namepetra azy ny amin'izany ary nandidy azy hanaja an'Andriamanitra sy hanatanteraka ny didiny, tahaka ny fony izy mbola niara-nonina taminy; ka tsy niova fitondrantena i Estera.
21 Nomena toerana ambony kokoa i Môrdôkay hany ka sosotra ireo tandapa roalahy filohan'ny mpiambina ary nitady hamono hahafaty ny amperôra Artakserksesa. 22 Fantatr'i Môrdôkay ny toe-javatra; dia nambarany tamin'i Estera izay nampahalala tamin'ny amperôra kosa ny andinindinin'izany teti-dratsy izany. 23 Nofotopotorin'ny amperôra izy roalahy, ary nahantona tamin'ny hazo. Ho mari-piderana an'i Môrdôkay sy hahatsiarovana ny asa soa nataony, dia nodidian'ny amperôra ny hanoratana izany zava-nitranga izany tao amin'ny Firaketam-panjakana.