Estera Grika
Toko faha-F
4[1] Ary hoy i Môrdôkay hoe: «Andriamanitra no nahatonga ireo zava-nitranga ireo. 5[2] Tsaroako manko ny nanofisako ny amin'izany, ka tanteraka tsy nisy nivaona mihitsy ny andinindininy. 6[3] Ilay loharano kely anankiray nanjary ony; dia nisy hazavana sy masoandro, ary nisy ranobe. Ny ony dia i Estera izay nampakarin'ny amperôra ho vady sy nasandrany ho mpanjakavavy. 7[4] Ny dragona anankiroa dia i Hamàna sy ny tenako. 8[5] Ny hafa firenena dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran'ny Jiosy; 9[6] ary ny fireneko dia i Israely izay nitaraina tamin'Andriamanitra ka novonjeny. Ny Tompo no namonjy antsika vahoakany sy nanafaka antsika tamin'ireo loza rehetra nananontanona antsika rehetra ireo; ka famantarana sy zava-mahagaga goavana, izay tsy mba nitranga teo amin'ny hafa firenena, no nataon'Andriamanitra ho antsika. 10[7] Izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an'ny vahoakany ary ny iray ho an'ny hafa firenena rehetra. 11[8] Ireo anjara roa ireo dia tanteraka tamin'ny andro sy ora ary fotoana voatendrin'Andriamanitra hamaliana ny hafa firenena rehetra: 12[9] niahy ny vahoakany Andriamanitra ary nanome rariny an'ireo voatokany ho fananany. 13[10] Koa ireo andro anankiroa amin'ny volana Adara ireo, izany hoe ny andro faha-14 sy faha-15, dia hankalazain'ny Jiosy ka hanaovany fivoriana amin-kafaliana sy amin-karavoana eo anatrehan'Andriamanitra. Isaky ny taranaka ho avy dia hatao hatrany hatrany izany eo amin'ilay Israely vahoakan'Andriamanitra.»14[11] Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ptôlemeo sy i Kleôpatra, dia i Dôsity, izay nilaza ny tenany fa mpisorona sady taranak'i Levỳ, ary koa i Ptôlemeo zanany lahy no nitondra izany tantara momba ny fetin'ny «Porîma» izany. Nolazain'izy mianaka fa tena ilay rijan-tenin'ny tantara tokoa izany ary i Lisimàka zanakalahin'i Ptôlemeo, izay anisan'ny mponin'i Jerosalema, no nanao ny dikanteniny.