Estera Grika

Toko faha-6

1 Tamin'iny alina iny dia nataon'ny Tompo tsy nahita tory ny amperôra. Ka nasainy halain'ny mpitantsorany ny boky milohateny hoe Firaketana ny tantaram-panjakana mba hovakîna aminy. 2 Hitan'ilay mpitantsoratra ny rijan-teny voasoratra momba an'i Môrdôkay, dia ny nanambaràny tamin'i Artakserksesa ny amin'ireo roa lahy tandapan'ny amperôra; ireo tandapa ireo, fony izy nanao ny asa fiambenany, no nitady hamono hahafaty an'i Artakserksesa. 3 Ary hoy ny amperôra hoe:
–Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomentsika an'i Môrdôkay noho izany?
Fa novalian'ireo mpanompo mpikarakara ny amperôra hoe:
–Tsy mbola nisy nomenao azy.

4 Mbola namotopototra ny amin'ny asa vitan'i Môrdôkay ny amperôra, no indro niditra tao an-kianja i Hamàna. Ka hoy ny amperôra hoe:
–Iza no ao an-kianja ao?
Tonga i Hamàna hiangavy amin'ny amperôra ny hanantonana an'i Môrdôkay amin'ilay hazo efa nomanina ho azy. 5 Ka hoy ny mpanompon'ny amperôra hoe:
–Indro fa i Hamàna no mitsangana ao an-kianja ao.
Ary hoy ny amperôra hoe:
–Antsoy izy hiditra.

6 Dia nanontanian'ny amperôra i Hamàna hoe:
–Inona no tokony hataoko amin'izay lehilahy iriko homem-boninahitra?
Nihevitra anakampo i Hamàna fa tsy misy irin'ny amperôra homem-boninahitra afa-tsy ny tenany, 7 ka dia niteny taminy hoe:
–Ny amin'izay lehilahy irinao homem-boninahitra, ry andriamanjaka, 8 dia asaovy entin'ireo mpanomponao ny anankiray amin'ireo fanamiana vita rongony efa niakanjoanao sy ny soavaly efa nitaingenanao. 9 Hatolotrao ny anankiray amin'ireo andriambaventy sakaizanao izany fanamiana sy soavaly izany; ary aoka ilay lehilahy manan-danja aminao hampiakanjoiny ny fanamianao sy hampitaingeniny amin'ny soavalinao; dia io andriambaventy io ihany no hiantsoantso eran'ny kianjan'ny tanàna hoe: «Toy izao no hataon'ny amperôra amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!»

10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamàna:
–Araka izay voalazanao izay àry no ataovy amin'i Môrdôkay, ilay Jiosy miasa ao an-kianjan'ny lapa. Aza asiana latsaka izay zavatra voalazanao.

11 Dia naka ny fanamiana sy ny soavaly i Hamàna, ka nampiakanjo an'i Môrdôkay ny fanamiana ary nampitaingina azy tamin'ny soavaly; dia izy ihany no nitondra azy hamakivaky ny kianjan'ny tanàna sady niantsoantso hoe: «Toy izao no hataon'ny amperôra amin'izay lehilahy iriny homem-boninahitra!» 12 Ary niverina teo an-kianjan'ny lapa i Môrdôkay; fa i Hamàna kosa nody ho any an-tranony sady menatra no nisaron-tava. 13 Dia nitantaran'i Hamàna ny zavatra nanjo azy i Zôsarà vadiny sy ny sakaizany, ka niteny taminy hoe:
–Raha taranaky ny Jiosy i Môrdôkay izay efa niantomboka nanetry anao teo anoloany, dia ho lavo eo anoloany tokoa ianao. Tsy haharesy tosika azy mihitsy ianao, satria Andriamanitra velona no miaraka aminy.

14 Mbola niresaka amin'i Hamàna eo ry zareo no tonga ny tandapa nirahin'ny amperôra ka nitondra faingana an'i Hamàna ho any amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563