Estera Grika
Toko faha-7
1 Dia lasa ny amperôra sy i Hamàna nankany amin'ny mpanjakavavy, ho ao amin'ilay fanasana fanindroany. 2 Ary teo am-pamaranana ny sakafo, dia hoy indray ny amperôra tamin'i Estera:–Ahoana moa, ry Estera mpanjakavavy? Inona no angatahinao sy tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakàko aza, dia ho lasanao tokoa.
3
Dia hoy ny navaliny azy hoe:
–Ry andriamanjaka, raha mba nahazo sitraka taminao aho, dia aoka hotsimbininao aina ny tenako sy ny mpiray firenena amiko fa izany no angatahiko sy tadiaviko!
4
Namidy manko ny tenako sy ny mpiray firenena amiko mba haringana ary koa mba horobaim-pananana sy handevozina ho tonga mpanompo izahay sy ny zanakay. Kanefa nangina aho, satria tsy mendrika hisahana andraikitra ato an-dapan'ny amperôra ilay miampanga anay.
5
Dia nanontanian'ny amperôra i Estera hoe:
–Iza no sahy nanao izany zavatra izany?
6
Ka novaliany hoe:
–Io Hamàna ratsy fanahy io no fahavalonay.
Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny amperôra sy ny mpanjakavavy i Hamàna.
7
Niala teo amin'ny fanasana kosa ny amperôra mba hankeny amin'ny zaridainan'ny lapa; fa i Hamàna nahatsapa fa tafiditra anaty toe-javatra ratsy ny tenany ka nangataka famindrampo tamin'ny mpanjakavavy ary tafahohoka teo amin'ny saofà nipetrahan'i Estera.
8
Fony niverina avy teo an-jaridaina ny amperôra, dia mbola nitalaho tamin'ny mpanjakavavy toy izany i Hamàna ka nilazan'ny amperôra hoe:
–Dia sahinao koa ve ny misavika ny vadiko ato an-tranoko? Vao nandre ny tenin'ny amperôra kosa i Hamàna, dia nitodi-doha azon'ny henatra.
9
I Bôgatàna izay anisan'ireo tandapa kosa no nanao tamin'ny amperôra hoe:
–Ry andriamanjaka, i Hamàna dia efa nampanamboatra hazo hanantonany an'i Môrdôkay, ilay nilaza ny teti-dratsy ny aminao. Miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamàna io hazo io, ka 25 metatra ny haavony.
Dia hoy ny amperôra hoe:
–Ahantony amin'io i Hamàna!
10 Ary nahantona tamin'ilay hazo efa nomaniny hanantonana an'i Môrdôkay i Hamàna. Dia vao izay no nionona ny fahatezeran'ny amperôra.