Estera Grika
Toko voalohany
18[1] Ireo zavatra ireo dia nitranga tamin'ny andron'ny amperôra Artakserksesa. Io Artakserksesa io no nanjaka tamina faritany 127 izay any India no anombohany. 19[2] Tamin'izay andro izay izy no tonga naka toerana teo amin'ny sezafiandrianana maha-amperôra azy tao an-tanànan'i Soza, 20[3] nony taona fahatelon'ny nanjakany; ka nanaovany fanasambe ireo sakaizany, ireo andriambaventy persianina sy medianina, ireo governoram-paritany sy ireo solotenan'ny firenen-kafa. 21[4] Nandritra ny enim-bolana dia nasehon'ny amperôra azy ny harena avy amin'ny fanjakàny mbamin'ny harevaka mahafinaritra vokatr'izany harembe izany. 22[5] Nony tapitra ireo andro filanonana ireo, dia nanaovan'ny amperôra fanasana koa ny olona avy amin'ny firenen-drehetra, izay nonina tao Soza; nandritra ny enina andro no naharetan'izany, tao an-kianjan'ny lapa. 23[6] Tamin'izay no nandravahana ny kianja tamina lamba temitra karazany manify, ka tady rongony sy jaky no nihantonany tamina masom-bolamena sy masom-bolafotsy sy tamina andry vatokaranana sy alabasitra; nisy sôfà volamena sy volafotsy nalahatra teo ambony lampivato emeralda sy hara ary vatokaranana; tao koa ireo firakotra nasiana petakofehy maro loko sy voahaingo raozy manodidina. 24[7] Tsatokaty volamena sy volafotsy no fampisotroana, ary nisy anankiray voaravaka vatosoa ka notombanana mihoatra noho ny volafotsy valonjato taonina ny vidiny. Nitobaka ny divay tsara avy amin'ny fisotron'ny amperôra. 25[8] Samy nisotro tsy nisy naneritery azy ny olona, satria izany no sitraky ny amperôra; ary nodidiany koa ireo mpanompony hanao araka irin'ny tenany sy irin'ny isam-batan'olona voaasa. 26[9] Tetsy ankilany ny mpanjakavavy Astîna koa dia nanao fanasana ho an'ny vehivavy tao amin'izany lapan'ny amperôra Artakserksesa izany.27[10] Tamin'ny andro fahafiton'ny lanonana, dia falifaly ny amperôra Artakserksesa ka niteny tamin'ny tandapa fito lahy izay nanompo azy manokana, dia i Hamàna sy i Bazàna, i Tarà sy i Bôraze, i Zatôltà sy i Abatazà ary i Tarabà. 28[11] Nasainy nentin'ireo hankeo aminy ny mpanjakavavy. Nirin'i Artakserksesa manko ny hampipetraka azy eo amin'ny sezafiandrianana sy hampisatroka ny satroboninahitra maha-mpanjakavavy ary koa ny haneho ny hatsaran-tarehiny amin'ny minisitra sy amin'ireo olo-nasainy avy amin'ny firenen-kafa; satria tsara bika tokoa ravehivavy. 29[12] Fa tsy nety hanaraka ireo tandapa kosa i Astîna; dia nisafoaka ny amperôra ka nirehi-pahatezerana 30[13] ary niteny tamin'ireo sakaizany hoe: «Izany no navalin'i Astîna, ka diniho ny momba io raharaha io ary tsarao araka ny lalàna.»
31[14] Tamin'izay i Arkeseo sy i Sarsateo ary i Maleseara no nanatona ny amperôra. Ireo minisitry ny Persianina sy Medianina ireo dia nitàna toerana voalohany tokoa teo anilan'i Artakserksesa. 32[15] Ireo no nampahafantatra azy ny sazy tokony hampiharina amin'i Astîna, araka ny lalàna, noho ravehivavy tsy nanatanteraka ny baiko nampitain'ny amperôra tamin'ny alalan'ireto tandapa. 33[16] Dia niteny tamin'ny amperôra sy tamin'ireo minisitra i Mokeo nanao hoe: «Tsy ny amperôra ihany no nanaovan'i Astîna mpanjakavavy izao fihetsika ratsy izao, fa ny minisitra rehetra sy ny governora rehetra solotenan'ny amperôra. 34[17] Efa notantaraina tamin'ireo manampahefana ireo manko ny teny amam-pihetsika namalian'ny mpanjakavavy an'ity amperôra. Koa tahaka ny namalian'i Astîna ny amperôra Artakserksesa 35[18] no hataon'ny andriambavilanitra rehetra vadin'ireo minisitry ny Persianina sy Medianina ireo: ho sahiny fotsifotsina toy izany ireo minisitra, rehefa henony ny valintenin'i Astîna tamin'ny amperôra. 36[19] Raha heverinao àry fa tsara, ry amperôra, dia aoka ianao hamoaka didim-panjakana izay hosoratana ao amin'ny lalàna mifehy ny Medianina sy Persianina. Aoka ny mpanjakavavy Astîna tsy hiseho eo anatrehanao intsony, ary vehivavy mendrika kokoa noho izy no homenao ny voninahitra maha-mpanjakavavy! Enga anie tsy hisy fanapahan-kevitra hafa noho izany! 37[20] Aoka io lalàna havoakanao io haely ary hampiharina eran'ny fanjakànao! Dia samy homen'ny vehivavy rehetra voninahitra ny vadiny, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.» 38[21] Sitraky ny amperôra sy ireo mpanapaka izany hevitra izany. Koa araka izay voalazan'i Mokeo no nataon'ny amperôra.
39[22] Nandefasany taratasy isam-paritany eran'ny fanjakàny, dia taratasy araka ny fomba fitenin'ilay faritany, mba hisy fanoavana ireo loham-pianakavina any amin'ny ankohonany any.