Kôheleta
Toko 1 Izao no tenin'i Koheleta, zanakalahin'i Davida sady mpanjaka tao Jerosalema.
Toko 2 Ary dia hoy aho anakampoko: Andeha hojerena ny lanjan'ny fifaliana eo amin'ny fiainana, ary hotadiavina ny atao hoe fahasambarana. Kanjo indro fa zava-poana koa izany.
Toko 3 Ny zava-drehetra dia samy misy vaninandro voatendry ho azy avy; ary samy manana ny fotoany avy ny raharaha rehetra eto ambonin'ny tany.
Toko 4 Hitako koa ny tsy rariny rehetra atao eto ambonin'ny tany. Miantsoantso ireo voan'ny tsindry hazo lena, fa tsy mba misy afa-manampy azy. Eo am-pelatanan'ny mpamoritra manko ny fahefana, hany ka tsy mba misy afa-manampy azy.
Toko 5 Aza maika ny hiteny ary aza malaky manapa-kevitra hanao voady amin'Andriamanitra; fa any an-danitra Andriamanitra ary ianao kosa ety ambonin'ny tany. Koa lanjalanjao ny teninao.
Toko 6 Nahita zava-dratsy hafa mampahory aho teto ambonin'ny tany, ary mitambesatra amin'ny olombelona izany:
Toko 7 Aleo manana laza tsara toy izay manana ilomanitra lafo vidy; ary aleo ny andro hahafatesan'ny olona toy izay ny andro nahaterahany.
Toko 8 Tsy misy olona tena hendry ary tsy misy koa mahafantatra ny tena dikan-javatra. Kanefa ny fahendren'ny olona manazava ny tarehiny ary manalefaka ny endriny.
Toko 9 Rehefa nandinika izany rehetra rehetra izany tato anatiko aho, dia nahatsapa fa ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia eo an-tanan'Andriamanitra. Fa tsy fantatry ny olona akory na ny fitiavana na ny fankahalana. Tsy afaka ny haminavina izany izy.
Toko 10 Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.
Toko 11 Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.
Toko 12 Aza hadino Ilay nahary anao amin'ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: Mankaleo ahy ny miaina.