Kôheleta
Toko faha-3
1 Ny zava-drehetra dia samy misy vaninandro voatendry ho azy avy; ary samy manana ny fotoany avy ny raharaha rehetra eto ambonin'ny tany.2 Misy ny fotoana ahaterahana ary misy ny fotoana ahafatesana; misy fotoana ambolena ary misy fotoana anongotana ny nambolena;
3 misy fotoana amonoana ary misy fotoana itsaboana; misy fotoana andravana ary misy fotoana ananganana.
4 Misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana; misy fotoana isentoana ary misy fotoana andihizana.
5 Misy fotoana anariam-bato ary misy fotoana anangonam-bato; misy fotoana anorohana ary misy fotoana ifadiam-panorohana.
6 Misy fotoana itadiavana ary misy fotoana ahaverezana; misy fotoana itahirizana ary misy fotoana anariana;
7 misy fotoana androvitana ary misy fotoana anjairana. Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.
8 Misy fotoana itiavana ary misy fotoana ankahalana; misy fotoana iadiana ary misy fotoana ihavanana.
9 Inona no tombontsoa azon'ny mpiasa amin'izay isasarany?
10 Nodinihiko ny asa asain'Andriamanitra hilofosan'ny olona;
11 fa nataon'Andriamanitra ho tsara amin'ny fotoany avy ny zava-drehetra. Nomeny antsika koa ny fanirian-kahafantatra ny lasa sy ny hoavy. Nefa tsy ho fantatry ny olombelona ny asan'Andriamanitra ankapobe hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
12 Fantatro araka izany fa ny mifaly sy ny manao izay hahasoa finaritra azy ihany no tsara ho an'ny olona, raha mbola velona koa izy.
13 Ary koa, raha mihinana sy misotro ka mahatsiaro sambatra amin'ny asany rehetra ny olona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy misy anampiana na anesorana izany fa nataony mba hanajan'ny olona Azy.
15 Izay rehetra mitranga amin'izao fotoana izao sy izay mbola ho avy dia efa nisy tamin'ny lasa. Ataon'Andriamanitra miverimberina ny zava-mitranga.
16 Izao koa no zavatra hitako teto ambonin'ny tany: ny toerana tokony hampiharana ny rariny sy ny fahamarinana no anjakan'ny faharatsiana.
17 Hoy aho anakampoko: Samy hotsarain'Andriamanitra avy ny olo-marina sy ny olon-dratsy, satria misy fotoany avokoa ny zava-drehetra mbamin'ny asa rehetra.
18 Ny amin'ny olombelona dia nihevitra aho fa ampandalovin'Andriamanitra fitsapana izy mba hahitany fa raha ny tenany ihany, dia tsy mifankaiza amin'ny biby izy akory.
19 Mitovy amin'ny fiafaran'ny biby ihany ny fiafaran'ny olona. Fofonaina mitovy no mamelona ny olona sy ny biby ka tsy maintsy ho faty izy roa tonta. Tsy manana hamboniana eo anatrehan'ny biby ny olona, satria zava-poana ny zava-drehetra.
20 Mitovy avokoa ny fiafaran'ny mananaina rehetra fa samy hody vovoka izy satria vovoka no nanaovana azy.
21 Tsy misy afaka manamarina fa ny fofonain'ny olona dia miakatra any ambony ary ny an'ny biby kosa dia midina any ambany, ao anaty tany.
22 Tsapako fa tsy misy tsara ho an'ny olombelona afa-tsy ny mifaly amin'ny vokatry ny asany. Tokony hionona amin'izany anjarany izany izy, satria tsy misy hampahita azy izay hitranga any aoriany.