Kôheleta
Toko voalohany
1 Izao no tenin'i Koheleta, zanakalahin'i Davida sady mpanjaka tao Jerosalema.2 Hoy i Koheleta hoe: Zava-poana dia zava-poana izao rehetra izao, eny, zava-poana ny zava-drehetra.
3 Miasa mafy ny olona ety ambonin'ny tany, nefa tsy misy voka-tsoa azony amin'izany.
4 Lasa ny taranaka iray, dia tonga ny iray hafa mandimby azy; nefa izao tontolo izao mbola maharitra hatrany.
5 Miposaka ny masoandro, milentika ny masoandro, ary maika ery hiverina any amin'izay niaingany.
6 Mbetika ny rivotra mitsoka mianatsimo, mbetika mitsoka mianavaratra. Mitsoka ny rivotra dia mitambolina ary mamerina ny fihodinany indray.
7 Mivarina any an-dranomasina ny ony rehetra, nefa tsy mety feno ny ranomasina, na dia tsy an-kiato aza no ivarinan'ny ony amin'izany toerana izany.
8 Tsy misy mihitsy afaka hilaza hoe hatraiza izany fitamberimberenan'ny zava-drehetra izany: fa ny maso tsy mba monai-mijery ary ny sofina tsy mba leon'ny mihaino.
9 Izay efa teo ihany no mbola ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray. Fa tsy misy zava-baovao akory izay rehetra mitranga ety ambonin'ny tany.
10 Raha misy zavatra lazaina hoe: Jereo fa zava-baovao ity!, dia izay efa nisy ela talohantsika ihany izany.
11 Fa nohadinointsika kosa ireo razantsika fahagola. Ary ireo olona handimby antsika koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
12 Izaho Koheleta dia nanjaka teo amin'ny vahoakan'i Israely tao Jerosalema.
13 Tsy niroa fo tokoa aho nikaroka sy namantatra amim-pahendrena ny zava-drehetra atao ety ambonin'ny tany. Asa mafy ampanaovin'Andriamanitra ny olona izany.
14 Efa hitako ny zava-drehetra atao ety ambonin'ny tany, fa zava-poana sy manenji-drivotra ihany izany rehetra izany.
15 Satria izay mibiloka dia tsy azo ahitsy intsony; ary ny tsy misy tsy azo isaina.
16 Hoy aho anakampoko: Indro aho fa nahangom-pahendrena mihoatra noho ireo mpanjaka rehetra nodimbiasako teto Jerosalema. Ary nanankarem-pahendrena amam-pahalalana momba ny fiainana aho.
17 Tsy niroa fo aho hahay manavaka ny fahendrena sy ny hadalana, ary koa manavaka ny fahalalana sy ny fahaverezan-tsaina. Tsapako fa ny manenji-drivotra ihany koa izany.
18 Fa arakaraka ny mahabe fahendrena no mahabe fahasahiranana; ary izay mitombo fahalalana, dia mitombo fahoriana.