Kôheleta

Toko faha-7

1 Aleo manana laza tsara toy izay manana ilomanitra lafo vidy; ary aleo ny andro hahafatesan'ny olona toy izay ny andro nahaterahany.

2 Aleo miditra amin'ny trano misy fisaonana toy izay mankany amin'ny trano misy fanasana. Ny fahafatesana no fiafaran'ny olona rehetra ka tsara ny hahatsiarovan'ny velona izany.

3 Aleo ny fijaliana toy izay ny fihomehezana; fa na dia manjombona aza ny tarehy, dia mety sambatra ihany ny fo.

4 Ao amin'ny toerana misy fisaonana no ahitana ny fon'olon-kendry ary ao amin'ny toerana misy fifaliana no ahitana ny fon'olona adala.

5 Aleo mihaino ny anatry ny hendry toy izay ny hiran'adala.

6 Fa ny fihomehezan'ny adala dia toy ny fipoapoaky ny tsilo mirehitra ao ambany vilany; zava-poana koa izany.

7 Fa mety hahalasa adala ny hendry ny fahazoa-mampahory; ary mety hahasimba toetra azy ny fandraisan-kolikoly.

8 Aleo ny mamarana asa toy izay ny manomboka azy; aleo olona mahari-po toy izay ny miavonavona.

9 Aoka tsy ho mora tezitra ianao fa ny adala ihany no malaky tezitra.

10 Aza manontany hoe: Nahoana no tsara ny taloha noho ny ankehitriny? Fa tsy fahendrena ny anontanianao izany.

11 Tsara tahaka ny lova ny fahendrena ka mahasoa ny olon-drehetra.

12 Ny fahendrena dia toy ny vola ka miaro amin'ny loza maro; manalava ny andron'izay manana azy izy, ka mahasoa ny fahalalana azy.

13 Hevero ny asan'Andriamanitra, fa izay nataony mibiloka tsy misy afa-manitsy.

14 Amin'ny androm-pahasambarana dia aoka ho sambatra; fa amin'ny androm-pahoriana kosa dia mieritrereta. Samy nataon'Andriamanitra na ny fahasambarana na ny fahoriana mba tsy hahafantaran'ny olona akory izay hitranga amin'ny hoavy.

15 Nandritra ny androm-piainako mihelina no nahatsapako fa mety hitranga ny zava-drehetra. Misy olo-marina maty, satria olo-marina izy; kanefa misy olon-dratsy ela velona, satria ratsy toetra izy.

16 Aoka tsy ho marina loatra na diso hendry koa. Nahoana no manimba tena ianao?

17 Aza dia ratsy fanahy loatra na mitondra tena toy ny adala koa. Nahoana ianao no ho faty alohan'ny fotoanandronao?

18 Tsara ny manaraka ireo torohevitra roa ireo, fa izay manaja an'Andriamanitra no hiala amin'ny toetra mihoa-pampana.

19 Ny fahendrena dia mahatarika ny hendry mihoatra noho ny mpitondra folo mifehy tanana iray.

20 Eto ambonin'ny tany manko dia tsy misy olo-marina izay manao ny tsara kanefa tsy diso.

21 Aza henoina avokoa izay rehetra lazain'ny olona, fandrao handre ny mpanomponao hiteny ratsy anao ianao amin'ny farany.

22 Fantatrao koa fa matetika ny tenanao no miteny fanaratsiana ny hafa.

23 Nodinihiko tamim-pahendrena izany rehetra izany, ka hoy aho anakampoko: Mba ho hendry aho. Nefa ambony ho ahy io tanjona io.

24 Ambony noho ny zava-misy izany sady lalina dia lalina! Iza no hahatakatra azy?

25 Koa dia nifantoka tamin'ny fianarana sy ny fikarohana aho. Notadiaviko ny atao hoe fahendrena sy ny antom-pisian-javatra. Nofantariko fa fahadalana, eny, fahadalana maha very saina ny haratsiam-panahy.

26 Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak'Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.

27 Nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra mba hahitako ny dikany, nefa ela nikarohana tsy nahita valiny aho. Izao no hitako, hoy i Koheleta: Lehilahy iray ao anatin'ny arivo no mendrika io anarana io; nefa amin'ny vehivavy maro dia tsy nisy hitako mendri-panajana na dia iray aza.

29 Izao no zavatra hany mba fantatro: Andriamanitra dia nanao ny olombelona mahitsy fo, saingy ireo no nampananosarotra zavatra maro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558