Kôheleta
Toko faha-9
1 Rehefa nandinika izany rehetra rehetra izany tato anatiko aho, dia nahatsapa fa ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia eo an-tanan'Andriamanitra. Fa tsy fantatry ny olona akory na ny fitiavana na ny fankahalana. Tsy afaka ny haminavina izany izy.2 Ary tahaka izany avokoa ny olona rehetra. Mitovy avokoa ny manjo ny olo-marina sy ny olo-meloka, ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy; mitovy avokoa ny manjo ny olona madio ara-pivavahana sy izay tsy madio, ny olona manao sorona sy izay tsy manao sorona; mitovy avokoa ny manjo ny tsara fanahy sy ny mpanota ary koa ny olona manao fianianana amin'Andriamanitra sy izay tsy sahy manao izany.
3 Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin'izay rehetra atao eto ambonin'ny tany. Feno faharatsiana ny fon'ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin'ny maty no hiafarany.
4 Fa izay anisan'ny velona ihany no mahazo antoka fa aleo alika velona toy izay liona maty.
5 Ny velona manko mba mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy misy valisoa intsony ho azy satria efa nohadinoina ireo.
6 Ka na ny fitiavany na ny fankahalany na ny fialonany dia samy efa levona hatry ny ela; ka tsy manana anjara intsony amin'izay zavatra atao ety ambonin'ny tany izy.
7 Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin'ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak'Andriamanitra ireo asanao.
8 Amin'ny fotoan-drehetra, mitafia akanjo fitondra amin'ny andro fety ary aza hadinoina ny manisy ilomanitra ny tarehinao.
9 Ankamamio ny miaina miaraka amin'ilay vady malalanao mandritra ny andro mihelina rehetra omen'Andriamanitra hiainanao ety ambonin'ny tany. Fa izany no anjaranao amin'izao fiainana izao sy amin'ny fisasaranao ety.
10 Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin'ny toeran'ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.
11 Mbola nahita zavatra betsaka tety ambonin'ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin'ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin'ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona.
12 Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian'ny loza. Fa toy ny trondro azon'ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.
13 Izao koa no oha-pahendrena hitako teto ambonin'ny tany; ary zava-dehibe amiko izany.
14 Nisy tanana kely iray sady vitsy mponina. Tonga nanafika azy io ny mpanjaka lehibe iray ka nanao fahirano sady namboatra tovon-tany goavana hamelezana azy.
15 Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanana noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.
16 Ka hoy aho hoe: Tsara kokoa ny fahendrena noho ny hery. Kanefa dia atao tsinontsinona ny fahendren'ity olo-mahantra, ary tsy mba henoina akory ny teniny.
17 Fa aleo mihaino ny teny malefaky ny hendry toy izay ny teny mafy atao amin'ny adala.
18 Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.