Kôheleta
Toko faha-6
1 Nahita zava-dratsy hafa mampahory aho teto ambonin'ny tany, ary mitambesatra amin'ny olombelona izany:2 dia olona omen'Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka manana izay rehetra iriny; kanefa tsy avelan'Andriamanitra hihinana amin'ny fananany izy fa olon-kafa no mitavana izany. Zava-poana sy zava-dratsy mampahory koa izany.
3 Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.
4 Fa na dia zava-poana aza ny nahatongavan'io zazarano io ka tao anaty haizina no nahalasanany ary tsy hotsarovana intsony izy;
5 na tsy hitany na fantany akory aza izay masoandro, dia miadana kokoa noho ilay ela velona teo izy.
6 Tsy ilaina akory ny miaina, na dia ho tratra arivo taona indroa aza, raha tsy mahita fahasambarana. Satria fahafatesana no fiafaran'ny fiainana rehetra.
7 Miasa ny olona mba hampitony ny filany saingy tsy mety afa-po izy.
8 Fa inona no soa azon'ny hendry miohatra amin'ny adala? Inona no soa azon'ny olo-mahantra izay mahay miavo-tena eo amin'ny fiainana?
9 Aleo mifaly amin'izay ananana hitan'ny maso toy izay manaiky harebirebin'ny faniriana, satria zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.
10 Izay rehetra misy dia efa voalaza anarana hatry ny ela ary iaraha-mahalala ny atao hoe olombelona; kanefa tsy azony atao ny mifandahatra amin'izay mahery noho izy.
11 Fa arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny zava-poana. Koa inona no soa azon'ny olona amin'izany?
12 Mamakivaky ny fiainana toy ny fihelin'ny aloka ny olona. Iza no mahafantatra izay mahasoa ny olona amin'izao fiainana izao mandritra ny fotoana fohy iainany? Tsy misy hahalaza amin'ny olona izay zavatra hitranga eto ambonin'ny tany aorian'ny fahalasanany.