Kôheleta

Toko faha-8

1 Tsy misy olona tena hendry ary tsy misy koa mahafantatra ny tena dikan-javatra. Kanefa ny fahendren'ny olona manazava ny tarehiny ary manalefaka ny endriny.

2 Tandremo ny baikon'ny mpanjaka. Efa nianiana taminy teo anatrehan'Andriamanitra ianao,

3 ka aoka tsy halaky hiendaka aminy. Aoka tsy hikiry amin'ny zavatra ratsy ianao, fa azon'ny mpanjaka atao avokoa izay sitrany.

4 Tsy refesi-mandidy ny teniny ary tsy misy olona afaka manontany azy ny anton'ny zavatra ataony.

5 Izay mitandrina ny didin'ny mpanjaka tsy idiran-doza na inona na inona. Nefa fantatry ny hendry fa hisy fotoam-pitsarana.

6 Eny, ny asa rehetra dia hisy fotoam-pitsarana azy, satria lehibe ny faharatsian'ny olona.

7 Tsy fantany akory izay zavatra ho avy. Iza no hampahafantatra azy ny ho fitrangan'izany?

8 Tsy misy olona manam-pahefana hitazona ny ainy ary tsy misy olona afaka hampihemotra ny andro hahafatesany. Rehefa tonga ny ady, dia tsy misy hevitra hialana aminy; ary ny ratsy fanahy tsy ho voaavotry ny faharatsiany.

9 Efa voajeriko tsara avokoa izay rehetra miseho eto ambonin'ny tany; misy fotoana izay anjakazakan'ny olona amin'ny namany, ka ampahoriny azy.

10 Hitako ny nandevenana olon-dratsy. Ireo olona ireo dia mpandeha ao an-Toeramasina; kanefa nohadinoina tao Jerosalema ny fitondrantenany. Zava-poana koa izany.

11 Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan'ny olona hanao ratsy.

12 Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: Izay manaja an'Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.

13 Ny olon-dratsy kosa dia tsy ho sambatra. Hiserana toy ny aloka izy ary ho faty tanora satria tsy nanaja an'Andriamanitra.

14 Izao koa no zava-poana mitranga eto ambonin'ny tany: misy olo-marina iharan'izay tokony ho mendrika ny ataon'olon-dratsy; ary misy olon-dratsy mahazo izay tokony ho mendrika ny ataon'olo-marina. Ka efa voalazako fa zava-poana koa izany.

15 Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran'ny olona eto ambonin'ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen'Andriamanitra hiainany ety ambonin'ny tany.

16 Tsy niroa fo aho hahalala ny fomba mampahendry ary hitako ireo asa ataon'ny olona ety ambonin'ny tany. Tsapako fa na dia misy tsy matory andro tsy matory alina aza ny olona, dia tsy hahatakatra ny fomba fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny zava-mitranga eto ambonin'ny tany. Ho reraka hitady ny olona fa tsy hahatakatra; ary na dia milaza ho mahafantatra aza ny olon-kendry, dia tsy hahatakatra izany akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0562