Kôheleta

Toko faha-2

1 Ary dia hoy aho anakampoko: Andeha hojerena ny lanjan'ny fifaliana eo amin'ny fiainana, ary hotadiavina ny atao hoe fahasambarana. Kanjo indro fa zava-poana koa izany.

2 Fahadalana ny fihomehezana, hoy aho; ary tsy mitondra mankaiza ny fifaliana.

3 Tapa-kevitra aho hamalifaly tena amin'ny divay ka hisary adala, nefa dia mbola hanam-pahendrena ho tompon'ny tenako ihany. Mba tiako ho fantatra manko izay tsara tokony hataon'ny olona mandritra ny androm-piainany fohy ety ambonin'ny tany.

4 Nanao asa lehibe ho ahy aho: nanangana trano maro ho ahy ary namboly voaloboka.

5 Nanao zaridaina sy saha aho ary namboly hazo fihinam-boa isan-karazany.

6 Nanamboatra lavaka famorian-drano aho mba hahafahana manondraka ny alan-jana-kazo.

7 Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin'ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman'osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,

8 ary nahangom-bolamena amam-bolafotsy izay fananan'ireo mpanjaka mbamin'ny faritany samy hafa. Mpihira lahy sy vavy maro no azoko hanala sorisory ahy; ary azoko izay mahafinaritra ny lehilahy, dia vady sy vaditsindrano betsaka.

9 Tonga olona ambony aho ka nomem-boninahitra mihoatra noho ireo izay nanjaka talohako tao Jerosalema. Nefa, na dia izany aza, dia nijanona ho olon-kendry aho.

10 Azoko avokoa izay niriko rehetra. Tsy nanakana ny tenako tsy hifaly aho. Eny, nanararaotra ireo asako rehetra aho ka nahazo izay anjara fifaliana vokatr'izany.

11 Natrehiko nodinihina ny asa rehetra nataoko sy ny fisasarako tamin'ny fanatontosana azy. Tsapako fa zava-poana sy manenji-drivotra izany rehetra izany; ary tsy misy voka-tsoa maharitra azo amin'izany ety ambonin'ny tany.

12 Ary natrehiko nojerena izay tombontsoa azo, raha hendry na very saina na adala. Ka nanontany tena aho ny amin'izay hataon'ny mpanjaka handimby ahy, raha tsy ny hamerina ny natao teo aloha?

13 Eny, hitako fa tsara kokoa ny fahendrena noho ny fahadalana, tahaka ny mahatsara kokoa ny fahazavana noho ny haizina.

14 Satria ny hendry mahita ny tokony halehany, fa ny adala kosa miraparapa ao anaty haizina. Nefa fantatro koa fa mitovy ihany ny hanjo azy roa tonta.

15 Dia hoy aho anakampoko: Satria ny hanjo ny adala ihany no hanjo ahy, inona no tombontsoako amin'ny maha hendry ahy kokoa noho izy? Ka hoy aho anakampoko: Zava-poana koa izany.

16 Ny zava-drehetra mitranga dia hadino amin'ny andro manaraka. Maty toy ny adala koa ny hendry, ary na ny andaniny na ny ankilany dia samy tsy hisy hahatsiaro. Fa ahoana izany?

17 Koa halako ny miaina, satria ratsy no fahitako ny asa atao ety ambonin'ny tany; fa zava-poana sy manenji-drivotra izany rehetra izany.

18 Halako ny fisasarana rehetra nataoko tety ambonin'ny tany, satria izay rehetra vitako dia tsy maintsy havelako ho an'ny mpandimby ahy. 19 Iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa dia ho eo am-pelatanany avokoa izay rehetra nisasarako sy nataoko tamim-pahendrena tety ambonin'ny tany. Zava-poana koa izany.

20 Nitarika ahy hamoy fo izany fisasarana rehetra nataoko tety ambonin'ny tany izany.

21 Misy manko olona izay nisasatra niasa tamim-pahakingana sy tamim-pahaizana ary tamim-pahombiazana, kanefa dia olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory ny no tsy maintsy hamelany azy ho lova. Zava-poana koa izany, ary tsy rariny goavana.

22 Koa araka izany, inona no tombontsoa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy amin'ny ezaka ataony ety ambonin'ny tany?

23 Fanaintainana sy fahasorenana no ateraky ny asany mandritra ny andro rehetra iainany; ary, na dia amin'ny alina aza, dia tsy miala sasatra ny sainy. Zava-poana koa izany!

24 Ny hany fahasambaran'ny olona dia ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin'ny valin-kasasarany. Tsapako fa avy amin'Andriamanitra izany fahasambarana izany;

25 satria tsy misy olona afaka mihinana na mifaly, raha tsy Andriamanitra no manome azy izany.

26 Eny, izay olona sitrak'Andriamanitra no omeny fahakingana sy ny fahaizana ary ny fifaliana. Fa izay mpanota kosa dia asainy manangona sy mamory mba hisy homeny an'izay sitrak'Andriamanitra. Mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548