Kôheleta
Toko faha-12
1 Aza hadino Ilay nahary anao amin'ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: Mankaleo ahy ny miaina.2 Amin'ny androm-pahosanao manko dia hihamatroka ny fahazavan'ny masoandro, hanjavozavo ny volana aman-kintana, ary hivangongo ny rahona mitondra orana.
3 Amin'izay ny sandry aman-tanana fiarovanao tena dia hipararetra; ny ranjonao nijaridina dia hikolepaka; ny nifinao efa nihavitsy loatra dia tsy hahahota sakafo intsony; ary hihapahina ny masonao ka tsy hahita tsara intsony.
4 Amin'ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon'ny mpihira.
5 Amin'izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin'ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.
6 Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin'ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.
7 Amin'izay no hiverina ho vovoka amin'ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin'Andriamanitra Izay nanome antsika izany.
8 Zava-poana ny zava-drehetra, hoy i Koheleta; eny, zava-poana dia zava-poana izany.
9 Ho fanampin'izany, tsy nitsahatra nampianatra ny olona ny zavatra fantany i Koheleta satria hendry izy. Namorona ohabolana maro izy rehefa avy nandinika sy nandanjalanja.
10 Fa niezaka ny hilazalaza ny zava-misy tamim-pahamarinana i Koheleta no nanao izay hahitana teny mahaliana koa.
11 Ny tenin'ny hendry dia manindrontsindrom-panahy tahaka ny fanjaitra; ary ireo mpanangona azy dia mamefy soritra tahaka ny tsatomarika. Fanomezana avy amin'ilay hany mpitarika avokoa ireny.
12 Fanampin'izany koa, anaka, dia minoa anatra ianao. Fa tsy mba voafetra ny isan'ny boky azo soratana, ary mandrera-tena ny manokana fotoana maro hianarana.
13 Ary izao no fehin-teny momba izay rehetra voalaza: hajao Andriamanitra ary tandremo ny didiny, satria izany no andraikitry ny olona tsirairay.
14 Fa hotsarain'Andriamanitra avokoa ny zavatra atao, dia ny amin'izay rehetra fonosiny na tsara izany na ratsy.