Kôheleta
Toko faha-5
1 Aza maika ny hiteny ary aza malaky manapa-kevitra hanao voady amin'Andriamanitra; fa any an-danitra Andriamanitra ary ianao kosa ety ambonin'ny tany. Koa lanjalanjao ny teninao.2 Fa izay be ahiahy, mpanonofy ratsy; ary izay be teny mpanao rediredin'adala.
3 Raha manao voady amin'Andriamanitra ianao, dia tanteraho ara-potoana izany, satria tsy sitrak'Andriamanitra ny olona adala. Koa efao ny voady efa nataonao.
4 Aleo tsy manome toky toy izay manome toky nefa tsy mahatanteraka.
5 Halaviro ireo teny mety hamatotra anao. Aza miteny amin'ny mpisorona voairak'Andriamanitra hoe: Tsy fanahy iniana iny. Fa ho tezitra Andriamanitra ary hopotehiny avokoa izay rehetra ataonao.
6 Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.
7 Aza atao ho mahagaga ny fahitana ny mahantra ampijalina na ny rariny sy ny fahamarinana voahitsakitsaka eto amin'ny tany. Fa ny olona anankiray ambony dia misy miaro azy ao amboniny ao, ary izy roa tonta ireo aza dia mbola misy ambony kokoa miaro azy.
8 Tsara kokoa ho an'ny firenena ny manana mpanjaka izay mampandroso ny asa fambolena.
9 Izay tia vola dia tsy ho afa-po mihitsy; ary izay tia harena dia tsy ho vokin'izany mihitsy. Zava-poana koa izany.
10 Fa arakaraka ny ananan'ny olona no mampitombo ny mpihampitra aminy. Inona no tombontsoan'ny tompom-pananana afa-tsy ny mijery ny hareny?
11 Mahita tory tsara ny mpiasa na kely na be ny harapany. Fa tsy mba mahita tory kosa ny mpanankarena vokatry ny hamaroan'ny fananany.
12 Nahita zava-dratsy mampahory aho teto ambonin'ny tany, dia ny vola izay notahirizin'ny tompony nefa nampidi-doza azy.
13 Very harena tamin-javatra mamohehatra izy ary tsy nanana na inona intsony nony tera-dahy.
14 Tsy maintsy handao ity tany ity toy izay niaviany izy, dia toy ny nitanjahany fony izy nivoaka avy tao an-kibon-dreniny. Ary tsy hahatondra na inona na inona ho valin-kasasarany izy.
15 Fahoriana lehibe ho azy fa toy ny nahatongavany teto an-tany no handaozany azy. Inona no tombontsoa azony? Nisasa-poana fotsiny izy.
16 Ankoatra izany, maloka ny fiainany manontolo noho ny alahelo be sy ny fahasorenana ary ny fijaliana.
17 Izao no tsapako fa tsara: mety ho an'ny olona ny mihinana sy ny misotro ary ny mifaly amin'ny vokatry ny asany mandritra ny androm-piainana omen'Andriamanitra azy; satria izany no anjarany.
18 Rehefa misy olona omen'Andriamanitra vola aman-karena sady avelany hihinana sy haka ny anjarany amin'izany ary koa hifaly amin'ny vokatry ny asany, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
19 Hadinon'ny olona kosa amin'izay fa mandalo ny fiainany, satria fenoin'Andriamanitra fahasambarana ny fony.