Kôheleta
Toko faha-4
1 Hitako koa ny tsy rariny rehetra atao eto ambonin'ny tany. Miantsoantso ireo voan'ny tsindry hazo lena, fa tsy mba misy afa-manampy azy. Eo am-pelatanan'ny mpamoritra manko ny fahefana, hany ka tsy mba misy afa-manampy azy.2 Ataoko fa ireo efa maty dia sambatra noho izay velona mbola miaina.
3 Nefa sambatra kokoa noho izy roa tonta ireo aza ny tsy mbola ary akory, satria tsy hahita ny asa ratsy atao eto ambonin'ny tany.
4 Hitako fa matoa ny olona misasatra sy milofo amin'ny asany dia ny hahomby kokoa noho ireo namany. Nefa mbola zava-poana manenji-drivotra koa izany.
5 Mazava ho azy fa ny adala izay mipetra-potsiny dia mamono tena ho fatin-kanoanana.
6 Nefa aleo fiadanana eran-tanan'ila toy izay fisasarana eran-tanan-droa izay manenji-drivotra ihany.
7 Ary izao koa no zava-poana hitako tety ambonin'ny tany:
8 indro lehilahy iray mitoetra irery tokoa tsisy namana na rahalahy na zanaka ary nisasatra mafy. Naniry hanan-karena betsaka izy ka nanao anakampo hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ahatsiarovako fahasambarana? Zava-poana sy raharaha ratsy koa izany.
9 Sambatra kokoa ny olon-droa noho ny mandeha irery fa mahatsara ny valin-kasasarana izany.
10 Raha lavo ny iray, dia misy mpanarina. Fa loza kosa ny an'ny singany raha lavo, satria tsy hisy mpanarina azy.
11 Mafana kokoa raha olon-droa no miara-matory; fa ahoana kosa no hampahafana ny matory irery?
12 Manan-kery kokoa ny olon-droa hanoherana izay miady aminy noho ny singany miady irery. Ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13 Aleo tovolahy mahantra nefa hendry toy izay mpanjaka antitra nefa adala tsy azo toroan-kevitra.
14 Ary na dia tao an-tranomaizina aza no nivoahan'ilay tovolahy mba hanjaka, na koa nateraka ho mpangataka aza izy any amin'izay hanjakany.
15 Hitako fa ny olon-drehetra tety ambonin'ny tany dia nanotrona ilay tovolahy fony izy nandimby ilay mpanjaka teo alohany.
16 Nahatarika olona maro izy. Nefa ireo taranaka aty aoriana dia tsy ho faly aminy, satria mbola zava-poana sy manenji-drivotra koa izany.
17 Aza mankao an-tranon'Andriamanitra tsy amim-pieritreretana, fa mandehana kosa mba hivonon-kihaino. Aleo izay noho ny manolotra sorona toy ny fanaon'ny adala izay tsy mahafantatra akory fa ratsy no ataony.