Hôsea
Toko 1 Ny teny izay nampitain'ny TOMPO tamin'i Hosea zanakalahin'i Beery tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama sy i Ahaza ary i Hezekia mpanjakan'i Joda, sy tamin'ny andron'i Jerobohama zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Israely.
Toko 2 Kanefa, indray andro any, ny isan'ny Israelita dia ho marobe tsy tambo isaina toy ny fasika amin'ny ranomasina. Ary eo amin'ny toerana izay nilazana taminy hoe: Tsy vahoakako ianareo, no hanambarana aminy kosa hoe: Zanak'ilay Andriamanitra velona.
Toko 3 Hoy ny TOMPO tamiko: Mandehana indray ka tiava io vehivavy izay tiavin'ny lehilahy sakaizany io sady tena mpanitsakitsa-bady. Tiavo izy tahaka ny itiavako ny Israelita, na dia mihodina ho amin'ny andriamani-kafa aza izy sady tia ampempam-boaloboka.
Toko 4 Manana ady amin'ny mponin'ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: Tsy misy toetra mahatoky eto amin'ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalana an'Andriamanitra.
Toko 5 Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian'ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepa ianareo sy harato voavelatra tao Tabora,
Toko 6 Hoy ianareo roa tonta hoe: Ndeha hiverina amin'ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
Toko 7 ka te hanasitrana an'i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraimita sy ny haratsian'ny olon'i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.
Toko 8 Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan'ny loza amin'ny tanin'ny TOMPO. Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon'i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.
Toko 9 Ry Israely o! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon'ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an'Andriamanitrao ianao tamin'ny fivarotan-tena nataonao sy tamin'ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.
Toko 10 Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron'ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan'ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.
Toko 11 Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.
Toko 12 Hodidinin'ny olon'i Efraima lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen'i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin'Andriamanitra sady mbola matoky an'Ilay Masina Indrindra.
Toko 13 Rehefa niteny i Efraima, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an'i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.
Toko 14 Hozakain'ny mponin'i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin'Andriamaniny izy. Ho faty an'ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohoka.