Hôsea
Toko faha-9
1 Ry Israely o! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon'ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an'Andriamanitrao ianao tamin'ny fivarotan-tena nataonao sy tamin'ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.2 Tsy hahafa-po anao anefa na ny vary eo am-pamoloana na ny menaka eo am-pamiazana; ary ny divay vaovao andrasanao dia handiso fanantenana anao.
3 I Efraima dia tsy hahazo monina intsony eo amin'ny tanin'ny TOMPO; fa tsy maintsy hiverina any Ejipta izy na hankany Asiria hihinan-java-pady.
4 Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy mba ho fanatitra ho an'ny TOMPO; tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny; ho toy ny mofom-pisaonana amin'izy ireo izany, ka ho voaloto avokoa izay mihinana azy. Hahavoky azy ihany ny mofony fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'ny TOMPO.
5 Inona kosa no hataonareo amin'ny androm-pankalazana manetriketrika, dia amin'ny andro fetin'ny TOMPO?
6 Rehefa tonga ny fandringanana ka mihahaka ny vahoaka, dia hanangona anareo i Ejipta; saingy Memfisa no ho fasanareo. Ho lovan-tsongosongo ny fana-bolafotsinareo sarobidy ary ho tongan'ny tsilo ny fonenanareo.
7 Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr'i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy. Vokatry ny hamaroan'ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.
8 Miaraka amin'Andriamanitro ny mpitily ho an'i Efraima, dia ilay mpaminany. Amelaram-pandrika izy amin'izay alehany rehetra; ary fanoherana no afitsoka azy hatrany an-tranon'Andriamanitra.
9 Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibeha. Nefa hotsaroan'ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.
10 Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an'i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehora izy, dia nanokan-tena ho amin'ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.
11 Ankehitriny ny voninahitr'i Efraima dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina; ka tsy hisy zaza teraka intsony, na zaza entina am-bohoka na zaza torontoronina akory aza.
12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy.
13 I Efraima, araka ny hitako, dia manao ny zanany ho toy ny fihaza ka mamela azy hisehatra ny mpamono azy ho faty.
14 TOMPO o, inona no sazy mba homenao azy? Ataovy momba sy tsy afa-mampinono ireo vehivavy ao aminy!
15 Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin'ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.
16 Voavely i Efraima: maina ny fakany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.
17 Harian'ilay Andriamanitro izy satria tsy nihaino Azy, ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny hafa firenena any.