Hôsea
Toko faha-13
1 Rehefa niteny i Efraima, dia nampatahotra ny besinimaro izy ka nahery tao Israely. Fa ny nanompoany an'i Bahala no nahameloka sy nahafaty azy.2 Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan'ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: Anolory sorona izy! Olombelona no mitsaoka ombilahikely!
3 Ho toy ny rahona vao maraina izy ary ho toy ny ranon'ando ka ho levona vetivety; eny, ho toy ny akofa paohin-drivotra hiala amin'ny famoloana izy ary ho toy ny setroka mivoaka amin'ny varavarankely.
4 Fa Izaho no TOMPO Andriamanitrao, hatry ny fony ianao tany Ejipta; ary ianao dia tsy mahafantatra andriamani-kafa ankoatrako sy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5 Izaho no mpiandry anao; fony ianao tany an-taniefitra tany amin'ny tany karankaina.
6 Nony mby teo amin'ny ahi-maitso ianao dia afa nivoky tokoa. Eny, voky ianao, ka niavonavom-po; izany no nanadinoanao Ahy.
7 Koa tonga toy ny liona Aho aminareo Israelita, ary koa tahaka ny pantera mamitsaka amoron-dalana.
8 Toy ny famelin'ny orsa very zanaka no amelezako anareo, ka rotehiko ny tratranareo. Toy ny fandrapaky ny liom-bavy no andrapahako anareo; ny bibidia no hamiravira ny fatinareo.
9 Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.
10 Aiza ary izao ny mpanjakanao izay tokony hamonjy anao? Amin'ny tanananao rehetra, aiza koa ireo mpitondra anao? Fa ianao ihany no nanao hoe: Omeo mpanjaka sy filoha aho.
11 Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray.
12 Voatana an-tsoratra ny helok'i Efraima, tsara tahiry ny fahotany.
13 Tahaka ny an'ny vehivavy hiteraka no fanaintainana mahazo azy. Kanefa dia zaza adaladala: tsy mety mivoaka avy ao an-kibo izy, na dia efa tonga aza ny fotoany.
14 Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan'ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin'ny toeran'ny maty? Rafahafatesana o, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran'ny maty o, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.
15 Fa na dia miroborobo aza i Efraima eo anivon'ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tankina ny fantsakany. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.