Hôsea

Toko faha-5

1 Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian'ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepa ianareo sy harato voavelatra tao Tabora,

2 ary lavaka lalina tao Setima. Fa Izaho kosa, hoy ny TOMPO, hanome famaizana ho anareo rehetra.

3 Izaho dia mahalala an'i Efraima, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraima, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.

4 Fa tsy mamela azy hiverina amin'Andriamaniny ny asa nataon'ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon'i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraima ka lavo miaraka aminy koa i Joda.

6 Mitondra omby aman'ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.

7 Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin'ny fananany.

8 Tsofy ao Gibeha ny anjomara ary tsofy ao Rama ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamina!

9 Ho tonga taniefitra i Efraima amin'ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin'ireo fokon'i Israely.

10 Fa tahaka ny mpamindra sisin-tany ireo mpifehy an'i Joda; ka hataoko mandriaka aminy ny fahatezerako.

11 Ampahorina i Efraima, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

12 Ho toy ny fositra Aho amin'i Efraima ary ho toy ny olitra amin'ny taranak'i Joda.

13 Hitan'i Efraima ny aretiny ary tsapan'i Joda ny feriny; ka nankany amin'i Asiria i Efraima ary nandefa iraka tany amin'ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon'i Efraima.

14 Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak'i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.

15 Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin'i Efraima sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554