Hôsea
Toko faha-8
1 Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan'ny loza amin'ny tanin'ny TOMPO. Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon'i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.2 Na dia mitaraina amiko aza izy hoe: Ry Andriamanitr'i Israely o, mahalala Anao izahay!',
3 dia efa nolavin'i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo.
4 Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.
5 Maharikoriko ilay ombilahikelinareo, ry olon'i Samaria! Mampirehi-pahatezerana Ahy ianareo Mandra-pahoviana ny tenanareo no tsy hiharam-pamaizana?
6 Fa avy tamin'i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin'i Samaria.
7 Mamafy rivotra ianareo ka hijinja tadio. Fa hoy ny ohabolana hoe: Vary tsy amin-tsalohy tsy vanon-ko lafarinina.; ary raha tahiny aza hisy, dia ny vahiny no handany azy.
8 Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin'ny hafa firenena.
9 Nandeha niakatra tany Asiria izy; mahay mizaka tena ny borikidia, fa mividy sakaiza ho azy kosa i Efraima.
10 Na dia nizara fanomezana tamin'ny firenen-kafa aza izy, dia tonga kosa ny fotoana hamoriako azy ankehitriny. Ary tsy ho ela izy dia hijaly noho izay hatambesatr'ilay mpanjakan'andriana.
11 Nampitombo ireo alitara i Efraima mba hahatonga azy hanota; eny, ireo alitara ireo tokoa no mahatonga azy hanota.
12 Na ho an'arivony mihitsy aza no hanoratako ho azy ny lalanako, dia hoheveriny ho zava-poana izany.
13 Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin'izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.
14 Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tananamimanda; nefa handefasako afo ny tananany ka holevonin'izany ny lapany.