Hôsea

Toko faha-11

1 Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.

2 Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an'i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an'ny sampy.

3 Izaho no nampiana-mandeha an'i Efraima sady nitondra azy an-trotroana. Kanefa tsy fantany fa Izaho no nikarakara azy.

4 Notahitahiko ny fitarihana azy tamin'ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin'ny takolaka sady niondrika namahana azy.

5 Tsy hiverina any Ejipta ny vahoakan'i Israely; fa i Asiria kosa no hanjaka aminy, satria tsy nety niverina tamiko izy.

6 Hisy ady mafotaka ao an-tananany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny politikan'i Israely.

7 Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

8 Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraima, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an'i Adma sy i Tseboima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.

9 Tsy hanampatra fahatezera-mirehitra Aho na ho avy handringana an'i Efraima; tsy olombelona Aho fa Andriamanitra dia Ilay Masina eo aminao; ka tsy ho avy amim-pahatezerana mafy Aho.

10 Ny TOMPO Izay hierona tahaka ny liona no harahin'ireo voasesitany hody. Ary rehefa mierona ny TOMPO, dia ireo zanany no hihazakazaka hanatona avy any ampitan-dranomasina any.

11 Avy any Ejipta koa izy no hanatona amin-kovitra toa voronkely, ary avy any Asiria no hanatona amin-kovitra toa domohina; ka dia hoentiko miverina any an-tranony indray izy. Izaho TOMPO no manao izany teny hentitra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0583